Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny fihaonan’ny Athletico Madrid, klioba espaniola sy ny FC Lazio, klioba italianina. Nahavita fihetsika goavana ny mpiandry haraton’ny Lazio, Ivan Provedel, ny talata ali­na lasa teo. Ity mpilalao ity, nahasahala ny isa tany amin’ny minitra farany, faha-95 min. Nanomboka ny talata lasa teo, […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka omaly ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny faritra 23, etsy Mahamasina. Hitohy anio izany ho fanehoana firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ireo mpisehatra. Izy ireo no mampihodina ny sehatry ny fahasalamana any amin’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara. Manamarika ny faha-40 taona niorenany ny fakiolten’ny Siantsa sy […]

TARATRY ny KANTO

« Savaravina am-pamoloana 2.0”. Tante­rahina eny amin’ny IKM Antsahavola, ny sabotsy 23 septambra 2023 tolakandro, ny “Savaravina am-pamoloana”. Mpikabary, mpanoratra ary mpandala ny maha Malagasy no hasaina handray anjara amin’izany. Ma­hakasika ny fomba hanatanterahana ny fanabea­zan’ ny Ntaolo ankehitriny no hodinihina mandritra izany. “Beat Box Battle Madagascar”. Tontosaina eny amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hihodina tsy ho ela ilay milina mpamokatra menaka ao Ankadinondry Sakay. Hitoto voanjo 400 kg isan’ora ny milina, ahazoana menaka 160 l. Ampy hamatsiana ny milina ny voanjo avy amin’ny kaoperativan’ny tantsaha. Hiteraka asa fivelomana mivantana ny tetikasa ka tantsaha miisa 1800 hahazo tombontsoa amin’izany. Nohamafisina ny traikefan’ireo tomponandraikitra manara-maso […]

TSELATRA

Kila tanteraka tsy nisy noraisina ny fiara taxi nirehitra teo amin’ny toeram-piantsonana akaikin’ny fiangonana Katolika Ambanidia, omaly. Voalaza fa olana tao amin’ny moteran’ny fiara no nitarika ny firehetana. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto iray nifandona tamina fiara […]