Tselatra

TSELATRA

Zazavavy telo volana narian-dreniny an-kolaka teny Ambohimamory-Itaosy, omaly. Napetrany tamin’ ny zazavavy 12 taona io zanany io. Nilaza hiantsena vetivety izy kinanjo tsy niverina intsony. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana rehefa naharay fampandrenesana. Fiara nanitsaka olona iray nifandrimbonan’ny fokonolona nosakanana tetsy Anosizato, omaly. Nikasa handositra niaraka […]

INDRAY MIJERY

Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoa­ran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo. Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao […]

Sombim-baovao

Naharitra roa ora mahery ny fifanandrinan-dRanaivo Mialy sy i Girarde Emmanuelle, vehivavy mpilalao Tenisy Renioney, omaly, teny Ambohidahy. Tafavoaka mpandresy tamin’izany ny Malagasy rehefa nanenjika isa sy naka ny tapakila hanaovana ny manasa-dalana. Marihina fa i Mialy, anisan’ny mpilalao niatrika ny Billie Jean King, ta­min’ity taona ity. Nifarana, omaly, teny […]

TARATRY ny KANTO

Rakibolana. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny « Rakibolana I », mampivondrona ireo teny sy voambolana teknika ara-ekonomika. Fiaraha-miasan’ny departemantan’ny minisitera rehetra sy ny holafitry ny mpanao gazety ary ny Foibem-pitondran’ny Seraseran’ny MEF no nahatanteraka ny tetikasa. Village Culturel des jeux des iles. Mitohy hatrany ny fampialana voly […]

FANTINA SY FINTINA

Hanatitra dosie ny kandidà Rasolofono­ro­niaina Julia Mickaëlle, ny zoma izao. Na izany aza, nametraka ahiahy izy ireo ka nanatitra taratasy teny amin’ny HCC sy ny Ceni mba tsy hifamitahana. Naka toky amin’ny hahamatotra ny fifidianana sy nitaky ny ahafahan’ny rehetra mirotsa-kofidina izy ireo. Raikitra ny fihaonambem-pirenena hotarihin’ny FFKM. Hisokatra, anio […]