Tselatra

INDRAY MIJERY

Mbola maro ny olona tsy salama manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao voan’ny gripa, kohoka sy itrangan’ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA). Ratsy koa ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo ka mampirongatra ny aretina. Ny fako rahateo mivangongo isaky ny toby ka miteraka fofona sy lalitra be mitondra otrikaretina. Misy ireo sekoly tsy miankina […]

TARATRY ny KANTO

Feno 20 taona ny Piment Café Behoririka. Toy ny isan-taona, hankalazaina manomboka ny zoma alohan’ny Krismasy ny tsingerin-taonan’ity toeram-pialamboly ity. Hanokatra ny fotoana ny “Revy Samöela ranoiray”, ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa zatra ny toerana nandritra ny taona maro na ny mpanakanto na ireo mpankafy azy. […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratra nangalatra jiro sy rano ny tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka. Manentana ny rehetra ny Jirama hiantso amin’ny laharana maitso (maimaimpoana) 547, na koa manatona mivantana ny masoivoho raha mahita tranga toy izany. Mijanona ho tsiambaratelo ny momba ny mpanome vaovao. Hiverina hisokatra ny sabotsy izao ny zotran-dalamby FCE, mampitohy an’i […]

TSELATRA

Natolotra ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ireo mpianaka voarohirohy ho nanao asa fisolokiana. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo. Nikasa hifampiraharaha tamin’ny polisy izy ireo ho famotsorana, hanao kolikoly, saingy tsy nanaiky izany ny polisy. Saron’ny polisin’ny Fip teny 67 ha ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy vita gasy, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina mandritra ny efatr’andro ny fampiofanana fandrafetana ny drafi-pitantanana “Bu­siness plan”. Resahina mandritra izany ny fampiofanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera, ny talem-paritra samihafa, ireo mpiompy trondro, ireo Banky sy ny fampindramam-bola madinika mahakasika ny rindrambaiko UTIDA. Nahazo milina hanodinana voasary makirana ny distrikan’i Manandriana. Nahazo ny anjarany ihany koa […]