Tselatra

INDRAY MIJERY

Nisokatra tamin’ity herinadro ity ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny tetikasa mitondra fivoarana (Mapi), andiany faharoa, miaraka amin’ny Université Senghor, karakarain’ny sekoly ambony Iscam. Tanjon’ny fandaharanasa ny fanofanana ireo olona ho mpitarika tetikasa mitondra fanovana ho an’ny fiarahamonina sy ny fihariana. Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinam-panjakana nandritra […]

TARATRY ny KANTO

“Fihaonana araka ny literatiora ». Tanterahina ny takarivan’ny sabotsy 7 oktobra 2023, eny amin’ny La Galerie Mozaik Antsahabe, ny fihaonana araka literatiora, iarahana amin’i Michèle Rakotoson, mpanoratra. Ny mahakasika ny boky “Ambatomanga, le silence et la douleur” no resahina amin’izany. Mpisehatra eo anivon’ny haikanto sy literatiora maro samihafa no hiaraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanazarantena teny Maha­masina ny ekipam-pirenena Barea de Mada­gascar, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Marihina fa ny 9 hatramin’ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay tafiditra anatin’ny “fenêtre FIFA”. Ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Niakatra kianja omaly […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mandeha sy hisy ny fifidianana, araka ny nambaran’ny dipiote IRD, Raholdina Naivo. Tsy azo ampitahorina sy ranitina lava intsony izy ireo, ary ho azo amin’ny fihantsiana. Tany sy fanjakana misy lalàna eto, ary aleo hipetraka amin’ny mpitandro filaminana ny amin’izany. Aleo ireo mpanohitra ho variana sy ho lany […]

TSELATRA

Norobain’ny jiolahy dimy lahy ny vola mitentina 36 tapitrisa Ar tao Avaratsena, Tsiroanoman­didy, ny alatsinainy teo. Nihanika lavarangana ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tamin’ny varavarana tao ambony rihana. Nitifitra ireo mpivady tompon-trano avy hatrany ireto farany. Lasa ny vola. Fatim-behivavy iray hitan’ny fokonolona tao Anka­dinondry Sakay, omaly maraina. Efa potika […]