Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Handray ireo sokajin’olona samihafa ny kandidà Rajoelina Andry, anio, eny Ivandry. Anisan’izany ny fikambanana tanora sy ireo mpanao fanatanjahantena. Eo koa ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny olom-boafidy toy ny depiote sy ireo loholona ary ny ben’ny Tanàna. Tandindonin-doza indray ny firenena, araka ny fanehoan-kevitr’i Dama, tarika Mahaleo, omaly. […]

TSELATRA

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranon’Ikopa teo ampitan’ny Gare routière Makis, omaly atoandro. Natopatopan’ny rano ka tsikaritry ny manodidina ny fisian-javatra hafahafa. Nanamarina izany ireto farany kinanjo tena olona ary efa tsy nisy aina intsony ity hita ity. Dahalo iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsampandrano, Iandratsay, fokontany Ampahatrima­ha, kaominina Mandritsara, distrikan’i […]

Vaovao tambatra

Hampifandray an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny « intelligence artificielle » sy ireo mpamatsy vola ary koa hanome fiofanana ahafahany miteraka asa. Ireo no tanjona apetraky ny « forum des investisseurs à Madagascar et en Afrique (FIDIMA) », andiany faha-5, natao tetsy Andraharo, ny zoma teo. Nahasarika olona maro ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary […]

SOMBIM-BAOVAO

Niainga teto an-tanindrazana omaly, ny delegasiona miisa 30 ho any Afrika Atsimo, hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup”. Miisa 23 ireo vehivavy mpilalao mandrafitra ny Barea. Tsiahivina fa hatao any Afrika Atsimo ny 4 – 15 oktobra ny fifaninanana. Anatin’ny Vondrona “A” misy an’i Afrika Atsimo, Eswatini, Malawi ny vehivavy Barea. […]

TARATRY ny KANTO

Madajazzcar. Hanokatra ny « Festival Interna­tional Madajazzcar », ny 5 oktobra 2023, eny amin’ny IFM Analakely, ny tarika « Festen » sy 4/4. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona amin’ity andiany faha-34, amin’ny “Festival International Madajazzcar”, ity ny hampifangaroana ny mpiangaly Jazz, tanora sy efa ela niangaliana. “Diary nofy”. Miditra amin’ny andiany faharoa ny “Diary […]