Ho an’ny telovolana ho avy : aogositra-septambra ary oktobra, ho vinavinaina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy, afa-tsy ny faritra Diana, Sofia sy ny ilany avaratry ny faritra Sava sy Alaotra Mangoro. Foana ny fampitandremana mahakasika ny alondrano ho an’ny morontsiraka […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Da Hopp. Ho tanterahina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Kudéta Urban Club, ny fampisehoana iaraha amin’ny tarika Da Hopp. Ity tarika ity izay anisan’ny namakilay ny mozika rap teto Madagasikara. Tsy miova fa ny mozika nahafantarana azy hatramin’izay ihany no entin’ny tarika hampifaliana ny mpankafy azy. Reggea […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga teny amin’ny Ceni, nikasa ny hijery ny ahazoana ny lisi-pifidianana ny MMM, tamin’ny alalan’ny Me Rakotomalala Rija, omaly. “Azon’ny antoko politika jerena izany ary voalazan’ny lalàna ka manao izany izahay izao”, hoy izy. Nampanantena ny ahazoan’ny antoko rehetra izany ny filohan’ny Ceni. Mbola mamarana ny pitsopitsony ny teknisianina amin’izao, […]
TSELATRA
Lehilahy lehibe dimy nosamborin’ny polisy noho ny filokana an-dalambe teto an-dRenivohitra, afakomaly. Efa nanaovana fanentanana manokana, nanohy ny filokana hatrany izy ireo. Nosamborina, taorian’izay ay hanaovana fanadihadiana. Nampahatsiahivin’ny polisim-pirenena fa tsy azo atao ny miloka an-dalambe. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa mpangalatra omby tao Soatolakandro, fokontany Ambatotsipihina, kaominina […]
SOMBIM-BAOVAO
Randriamamy Mathyas, Malagasy mpilalao baolina kitra, anisan’ireo voasokajy ao anatin’ireo amidy ao amin’ny klioba frantsay, Paris Saint-Germain. Marihina fa ao amin’izany ihany koa, i Kylian Mbappé, kintan’ny baolina kitra frantsay. Tsy manaraka fanazaran-tena miaraka amin-dry Neymar, mpilalao brezilianina moa izy ireo. Lalaon’ny “Francophonie”. Miisa efatra ireo atleta malagasy mahazo medaly […]