Anisan’ireo andiany Miatrika, niofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana teo anivon’ny Enam, ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Navoaka ny faran’ny herinandro teo izy 100 mianadahy nahazo izany mari-pahaizana manokana izany. Nifandinika momba ny hampandehanana ny asa eo anivon’ny minisitera ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ireo sendikà amin’ izany […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Miato avokoa ny fifandraisana an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Comores hisorohana ny mety ho fahatongavan’ny valanaretina Choléra eto amintsika. Nahazo fahazoan-dalàna manokana kosa ny sambo mpitatitra entana toy ny solika, entona fandrehitra. Hentitra amin’ny fanarahan-dalàna sy fepetra ara-pahasalamana ny tomponandraikitra. Miisa 1 500 ireo tokantrano marefo nisitraka jiro mandeha […]
INDRAY MIJERY
Mpianatra ho infirmiera anesthésiste avy amin’ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nomena fampiofanana momba ny fandraisana an-tanana mahakasika ny lalan-drivotra. Notontosaina teo anivon’ny CHUGOB, niarahana tamin’ny mpisehatra avy ao amin’ny Association Solidaire des Infirmiers en Anesthésie et Réanimation de Madagascar ny hetsika. Misy alondrano aterak’ilay sisan-drahona navelan’ny Eleanor […]
Sombim-baovao
Hotanterahina manomboka ny 3 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2023-2024, ho an’ny taranja Rugby. Ho fisantarana izany, hisy ny fiadiana ny amboaran’ny « Super Coupe 2023 ». Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 20” sy ny Cosfa, tompon’amboaran’i Madagasikara, no hihaona amin’izany. Handeha hitety ireo ligim-paritra manerana an’i Madagasikara ny […]
TARATRY ny KANTO
Nankalaza ny faha-20 taona nikabariany i Souleman ny faran’ny herinandro teo, teny Antanetibe Mahazaza. “Ny olombelona no harena, tsy hanao hetsika fitadiavam-bola fa hanao asa soa amin’ny sehatra maro”, io ny teny filamatry ny fankalazana. Fotoana nifampizarana ireo fahatsiarovan’ny maro azy teo amin’ny lafiny rehetra ihany koa. Tontosa tetsy amin’ny […]