Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanomezana alalana ny minisiteran’ny Fitsarana hampiasa tetibola ahazoana mandray mpianatra ho mpirakidraharaha 250 sy mpianatra ho mpitsara 150 ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy ho mpirakidraharaha (ENMG), taona 2024. Noraisina, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, ny didim-panjakana manendry an-dRamanana […]
Tselatra
TSELATRA
Lehilahy iray maty an-drano teny Anosimanjaka, afakomaly. Nanao vary niaraka tamin’ny fianakaviany izy no nivadika tampoka ny lakana. Taizan’aretina anefa ny lehilahy ka nitarika ny fahafatesany rehefa izy rendrika tao anaty rano. Saron’ny mpitandro filaminana ny rongony 60 kg tao Ambondromasina, kaominina Ambodisakoana, distrikan’i Boriziny, ny 20 febroary teo. Namonjy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao ny alahady 25 febroary izao, eny amin’ny Tranompokonolona Ivato, ny”Grand combat Muay Thaï”, hifanandrinan’ny mpikatroka avy any Toamasina sy ny avy eto Analamanga. Sokajy A, B, C no hifaninana mandritra izany, izay hahitana ireo kalaza efa andrarezina sy izay mbola vao misandratra. Mizotra tsara ny fikarakarana ny handraisan’i Madagasikara, […]
INDRAY MIJERY
9 484 ny olona traboina vokatry ny rotsakorana be niseho nanomboka ny 6 febroary lasa teo. 4 796 ireo nafindra toerana amin’ny toeram-pandraisana 16. Mahatratra 9 147 ha ny tanimbary dibo-drano ao Benenitra, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina II. 12 ny olona namoy ny ainy ary sivy ireo tsy hita popoka, araka ny […]
TARATRY ny KANTO
Fampirantiana hosodoko, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Mitohy hatrany ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto mpanao hosodoko ao amin’ity toerana ity. Hisokatra anio maraina ny fampirantiana arahina varotra ireo sanganasan’ireo mpanakanto anatin’ny “Association des artistes plasticiens de Madagascar”, na ny AAPMCAR. Haharitra hatramin’ny 5 avrily izao izany. Natomboka omaly, teny amin’ny Tranomboky […]