Tselatra

TARATRY ny KANTO

« Lecture en rire ». Anjaran’ny eny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, indray no handray ny hetsika “Lecture en rire”, rahampitso. Hetsika karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana mpanao hatsikana sahala amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy tanora, no tanjona amin’ny hetsika toa […]

FANTINA sy FINTINA

Nivory tany Vienne, momba ny ady amin’ny kolikoly ny Bianco, ny CSI ary ny Arai. Nifarana ny herinandro teo izany atrikasa niarahan’ny rafitra isaky ny governemanta izany. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Voatendry ho tale kabinetra eo anivon’ny Prezidansa, ny Jly Rasolondraibe Jean Yves. Misolo ny […]

TSELATRA

Mpanao taxi-moto ilay lehilahy hita faty teny Mahabo Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nosimbain’ireo mpamono olona ny tarehin’io lehilahy io ary nofonosany tao anaty harona plastika. Nariana tao anaty tatatra misy honahona ny vatana mangatsiaka ka ny fokonolona no nahatsikaritra azy. Lasan’ny jiolahy ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tomponandraiki-panjakana ambony iray, monina eny Fort-Voyron no tratra nangalatra ny ra­non’ny Jirama. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny teknisiana, ny herinandro teo, no nahatrarana azy, taori­an’ny fitarainan’ny mponina, mikasika ny tsy fahazoana rano eny an-toerana. Mampirisika ho sahy hitoroka, izay mijanona ho tsiambaratelo, ny Jirama. Niverina ny delestazy eto an-drenivohitra, taorian’ny […]

INDRAY MIJERY

Hikorontana ny fifamoivoizana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy any atsimo na atsimo andrefana. Hahery be ny ranomasina ka nahazo filazana fampitandremana ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany sy Vatovavy, manomboka ny […]