Tselatra

TARATRY ny KANTO

« Hampiaraka in-35…», etsy amin’ny CGM Analakely. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity « atsam-pitia », izay atolotry ny Fa­ribolana Sandratra ity. Fotoana hiantsan’ireo mpikambana ireo tononkalom-pitia, anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-35 taonan’ny Faribolana. Ambohimanga Rova – Hisy fambolen-kazo, anio. Nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manokana ity harem-bakoka iraisam-pirenena ity, […]

FANTINA sy FINTINA

Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny hetsika nokasain’ny ARFM hatao eny Maha­masina, anio. Anton’izany ny tsy nahazoana alalana tamin’ny fitondram-panjakana. Mbola hifampiresaka sy hifandamina amin’izay tomponandraikitra amin’izay fanomezan-dalana hahazoana manatanteraka ny he­tsika ry zareo. Nisy ny fivoriana an-jotra, niresahina ny akony ara-barotra azon’i Madagasikara, amin’ny fisian’ny Zone libre-echange continentale […]

TSELATRA

Raikitra indray ny fifampikasihan-tanana na­taon’ ny samy mpino teo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, omaly atoandro. Tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpino izay nizara ho ankolafy roa miangona amin’io toeram-pivavahana io no nitarika ny sakoroka. Olona 50 hiakatra fampanoavana anio. Tafa­verina amin’ny mpitandro filaminana ilay fitaovam-piadiana « pistolet MAT 49 » very nateraky […]

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 30 000 t ny tahirim-bary nafarana ao Toamasina, hiatrehana ny maitsoahitra. Milanja 25 000 t ireo tahiry ao amin’ny toeram-panatobian’ entan’ny mpandraharaha ara-barotra, raha toa ka eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny 7 000 t. Tsy atahorana ny tsy fahampiana eny an-tsena, mandritra io vanim-potoana io. Vonona hanome tanana ny minisiteran’ny Fambolena […]

INDRAY MIJERY

Nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra Diana, Sava, Sofia, Betsi­boka, Bongolava ary ny distrikan’Ankazobe sy Andila­mena ho an’ny anio. Hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy ny faritra sasany amin’ny afovoantany ka mety hahatratra 90 mm ao anatin’ny 24 ora ny refiny. Hatao sonia amin’ny herinandro […]