Tselatra

INDRAY MIJERY

Hitoetra hatrany ny alondrano ateriky ny rivotra avy atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo Atsinanana. Ho mafy hatrany koa ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Nijery ifotony ny olana iainan’ny vahoaka eny […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny CGM Analakely ny seho an-tsehatra “Misy Mihaino?”. Fotoana ahenoana sy ahitana ary ilalaovana an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo. Ho hita mandritra izany ry Christophe Rabearimanana, Zo Maminirina, Nofy, Mampandri­niaina Manitra, Niravo, Sylvia Rabenatoandro, Hanja­ri­liva ary Tolotra Arinandriana. Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo Mpanabe kanto, ao anatin’ny Tetikasa “Kanto […]

FANTINA sy FINTINA

Niverina ho depiote ny minisitry ny Asa teo aloha, Rivotiana Jean Bosco sy ny minisitry ny Fiompiana teo aloha, i Raymond. Navoakan’ny HCC taorian’ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena izany fanapahana izany. Nambaran-dRaderanirina Sendrison, filohan’ny antoko Fy-M fa tokony hohenoin’ny fitondram-panjakana ireo fitakian’ny Von­dron’ny kandidà (C11), tamin’ireny fififidianana ireny. Vonona hiatrika ny […]

TSELATRA

Noraisim-potsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mahitsy sy Anto­homadinika ny roa lahy mpangalatra akoho, afakomaly. Noloahan’izy ireo ny rindrina nisy akoho fakana nofo an-jatony. Nalainy avokoa ireo akoho ary novonoiny. Nikasa hitondra ny entana nafatratra tanaty gony hihazo ny Renivohitra ireto tontakely taorian’izay. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny sabotsy lasa teo ny manasa-dalana fiadiana izay ho tompondakan’ny seksiona Maintirano, ligy Melaky, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny alahady ho avy izao ny lalao famaranana amin’izany, izay hihaonan’ny FC Tsivoanino sy ny FC Rehila. Marihina fa fifaninanana entina hanamarihina ny taona vaovao ity atao ity. Hotanterahina ny 3 […]