Other News

Tournoi Fitaratra : hifaninanana ireo Epp 32

Miisa 32 ireo sekoly fanabeazana fototra na Epp mandray anjara amin’ny “Tournoi Fitaratra”, taranja baolina kitra lalaovin’olona fito. Hetsika notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, omaly. An­isan’ireo mandray anjara amin’izany ny Epp Anosibe sy An­tanimena. Haharitra hatra­min’ny 24 may ny fifanintsanana. Ireo mpianatra ao amin’ ny kilasy fahefatra (T4) no […]

Basikety N1A(L)-Andrefana: tsy tonga ny MB2ALL sy ny SEBAM

Nanomboka omaly, ao amin’ny Complexe Ampi­si­kina, Mahajanga, ny fifaninanana N1A lehilahy ho an’ny kaonferansa Andre­fana. Ekipa enina no mandrafitra ny fifaninanana. Tsy tonga ny ekipan’ny SEBAM, Boeny sy ny MB2ALL, Analamanga. Na­no­katra ny lalao ny AS Fanalamanga sy ny MBC Atsinanana. Taorian’izay ny fifandonan’ny GNBC Ana­la­manga sy ny ASCUT Atsinanana. […]

World Rugby : nodimandry i Lapasset, filoha teo aloha

Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana, tany Louit, ao Hautes-Pyrénées, ny talata lasa teo, i Bernard Lapasset, filohan’ny federasiona frantsay sady mpitantana ny federasiona iraisam-pirenena “World rugby”. Ny aretina efa nitaiza azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany teo amin’ny faha-75 taonany. Anisan’ny mpitantana nanamarika ny […]

Orange Pro League : hanokatra ny lalao ny CFFA sy ny Ajesaia

Hifandona amin’ny lalao ampahavalon-dalana “Playoff 2023”, amin’ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League, ny CFFA sy ny Ajesaia. Hatao amin’ny 2 jolay ny lalao famaranana. Ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia Bongo­lava no hihaona voalohany amin’ny lalao ampahavalon-dalana, mandroso, fifaninanam-pirenena «Playoff 2023 OPL». Hotanterahina ny 13 mey ho avy izao, eny […]

Asa fanatsikafonana : mpanao gazety 7 nahazo mari-pankasitrahana

30 taona omaly, ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny nankalaza izany ny Transparency Inter­na­tional Initiative Madagascar (TI-MG) sy ny tambajotra Malina. Nikarakara fifaninanana «Grand prix Ma­li­na 2023», andiany 5 izy ireo. Mpanao gazety 7 mianadahy, mendrika tamin’ny asa fanatsikafonana, ireo nandresy tamin’izany. Natolotra, omaly, teny amin’ny […]