Other News

Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay

Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay. Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notantera­hin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Fran­tsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo […]

Indray mijery

Mandritra ny fotoan’ny ririnina, toy ny fanao isan-taona, manamaivana ny vesatry ny fianakaviana amin’ny fanatanterahana ny forazaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanterahina manerana ny Nosy, anatin’ny varavarana misokatra, amin’izao fotona izao, eny anivon’ny hopitalin’ny distrika sy ny faritra manerana ny Nosy ny forazaza. Maimaimpoana ny fanaovana azy hanampiana ny mpiara-belona. Vahoaka […]

Fitantanana sy andraikitra: nivarotra mofo gasy sy efa miaramila ny depiote Nomenjanahary Simon

Iza izy ? Ny depiote voafidy tao Ambositra, Andriata­hina­nomenjanahary Félicien Simon de l’Enfant-Jésus. 58 taona ary zaza faharoa amin’ny farany amin’ireo 9 nateraky ny ray aman-dreniny. Hanka­laza ny faha-30 taona ny ma­riaziny, tsy ho ela miaraka amin’ny vady aman-janany izy. Nianatra tao amin’ny CEG sy ny Lycée Ambositra ary nirotsaka […]

Mihava Tour tao Marovoay: “Tsy rariny intsony ny zava-misy”

Nitohy tany Maro­voay ny Mihava Tour, tarihin’ny depiote Randri­a­nasoloniaiko Siteny, omaly. “Tsy rariny intsony ny ataon’ny fitondrana amin’ny vahoaka. Tsy manam-bola intsony izao fanjakana izao ary tsy diso izany. Teneno izahay raha mandainga amin’izany”, hoy izy.. Nitondrany fanankiana koa ny olan’ny herinaratry ny Jirama. Ilana angovo mora anefa ny fihariana […]

Minisitry ny Serasera, Rakotondrazafy Lalatiana : “Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika”

Nanao fanambarana tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ ny asa fanaovan-gazety, omaly, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina(MSK), Rakotondrazafy Lalatiana. Nambarany, fa tsy ny governemanta na ny fitondram-panjakana no olana eto. «Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Anisan’ny miantoka izany fahalalahana izany ny lalàna, nivoaka ny septambra […]