Other News

Minisitra Resampa André Haja : «Sady hisy no ho tsara ny lalaon’ ny Nosy hatao eto Madagasikara»

Manoloana ny resabe sy fanahiana iainan’ny atleta sy ny vahoaka malagasy, amin’ny hisian’ ny lalaon’ny Nosy 2023 na tsia, nanazava ny sain’ny rehetra ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja . Gazety Taratra(*) : Efa-bolana tsy higadonan’ny lal­a­on’ny Nosy, izay kasaina hatao eto Madagasikara, ma­nao ahoana ny zava-misy ? […]

Ranovorin’Ambiroka : nandrotsahana zana-trondro Tilapia

Zana-trondro Tilapia 5843 no narotsaka tao amin’ny ra­no­vorin’Ambiroka, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maevatanana II, ny alarobia teo. Hetsika teo ambany fitarihan’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga. Vokatry ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny tetikasa WIOSAP. Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ireo mpanjono amin’ny seha-pihariana nosafidiany. Eo ihany koa ny […]

Fisitrahana tany: kara-tany 2.000.000 hozaraina hatramin’ny faran’ny taona

Mbola hitohy mandavantaona sy amin’ny fotoana tsy voafetra ny hetsika “herinandron’ny kara-tany”, izay nanomboka ny 24 avrily teo. Mbola hitohy manerana ny Nosy sy any amin’ireo faritra 23 manerana an’i Mada­gasikara ary eny anivon’ny kaominina izany. Tanjona ny hizarana kara-tany 2.000.000 hatramin’ny desambra 2023. Mahatratra ny 1.000.000 isan-taona kosa ny […]

Delestazy mavaivay: maharitra hatramin’ny ora efatra isan’andro

Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro lavareny ao Toa­masina. Tsy araka ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitry ny jirama intsony ny zava-misy, izay nilaza fa adiny roa isan’andro ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny, ta­pa­ka intelo isan’andro izany ka maharitra adin’ny efatra anatin’ny iray andro. “Ao amin’ny fokontany Morafeno sy ny manodidina, tapaka tamin’ny 2 ora latsaka […]