Other News

Herisetra !

Tsy sasatra isika ny mamerimberina fa mirongatra izaitsizy ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Tsy mifidy ny lasibatra, samy mizaka ny mafy na lahy na vavy. Nirongatra tato ho ato ny lehilahy namono tena noho ny fivadihan’ny rasa. Maro ny vehivavy mahasahy manohitra ny vadiny. Mahasahy mihantsy ny vadiny. Betsaka ny […]

Profesora Rasamoelina Henri: « Vahaolana amin’ny krizy ny fialana amin’ny fomba mahazatra »

« Tsy zava-baovao ny krizy sosialy sy toekarena lalovan’i Madagasikara », hoy ny mpampianatra mpikaroka Rasamoelina Henri. Nambarany fa mila miala amin’ny fomba nentim-paharazana isika raha te handroso. Gazety Taratra (*) : Pro­fesora, ahoana ny fahitanao ny toe-java-misy ankapobeny, miseho eto Madaga­sikara, ankehitriny ? Profesora Rasamoelina Henri (-) : Izaho aloha tsy gaga amin’ny fandehan-javatra […]

Botry rendrika : avotra ireo tantsambo 18 tao anatiny

Tafaverina soa aman-tsara an-tanety, omaly, ireo tantsambo 18 rendrika an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles, ny 25 avrily 2023. Sambo Seyche­lois Saya de Malha no nanavotra azy ireo ka nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY. Rendrika an-dranomasina tany amin’iny faritra iny ny botry nitondra ireto tantsambo ireto ka navotan’ny sambo mpiambina ny […]

Nampihorohoro tao Antsirabe : maty rotiky ny balan’ny polisy i Betraina

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Uir sy ny jiolahy tao Antsirabe, omaly. Maty voatifitra nandritra ity fifandonana ity ny jiolahy raindahiny fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Betraina. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana efa fanta-daza sy mampihorohoro ny mponin’Antsirabe Ra­solonjatovo Hasina Nan­tenaina na i Betraina. Nahazo […]

Halatra volam-bahoaka : fito mian-dahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, afakomaly, nidoboka am-pon­ja vonjimaika ireo mpiasa 7 eo anivon’ny Trésorerie Prin­cipale Ambalavao. Voa­sa­ringotra tamin’ny fahavere­zan’ny vola 400 tapitrisa Ar ireto mpiasa ireto. Tsy hita popoka io lelavola io ny marain’ny 17 avrily lasa teo. Tsy vaky anefa ny trano. Tsy nisy nanapitsoka ihany koa ny varavarana. Nisokatra ny […]