Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanambao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity […]
Other News
Jly Sahivelo Delphin : nankahery ireo miaramila mpampandry tany
Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny Tafika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana… Manara-maso ny fizotry ny hetsika fampandriana fahalemana “Tselatra” ataon’ireo miaramila ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanao tomban’ezaka ny […]
Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany
Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary manan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, […]
Ravalo tao Ambanja: “Hajaina ny fenitra demokratika”
Nitohy tany Ambanja ny dian’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nentaniny hatrany hanamarina ny anarany na hisoratra any amin’ny fokontany ireo mpifidy. Nohazavainy koa anefa ny momba ny fifidianana. “Efa manana vahaolana hampiharina aorian’ny fifidianana isika, manoloana izao manjo ny firenena izao. Hajaintsika anefa aloha ny fenitra demokratika sy […]
Fandraisan’ny filoha Rajoelina ambasadaoro telo : hanohana ny angovo i Italia sy Espana ary Norvezy
Nandray ny taratasy manendry ireo ambasadaoro telo teny Iavoloha ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’i Italia sy Espana ary koa ny fanjakana norvezianina. Anisan’ny noraisin’ny filoha tamin’izany ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Espagne, Raimundo Robredo Rubio. Anisan’ny fiaraha-miasa noresahana ny hanatsarana ny fifandraisana. Eo ny sehatry ny […]






