Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe momba ireo depiote ny solombavambahoaka IRD, Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mbola ao anatin’ny heriny izy ireo amin’izao fotoana izao. «Amin’ny fidirana amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, mbola mahatratra 109 izahay depiote manohana ny filohan’ny Repoblika», hoy ny depiote IRD, voafidy tao Antananarivo II, […]
Other News
Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso
Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refotana, miainga eo amin’ny Urbania hatreo amin’ny Pharamacia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]
Valala e ! Valala e !
Mirongatra izaitsizy. Tena mampihorona hodi-doha ny fisian’ny andiam-balala manerana ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Manomboka mandripaka tsikelikely ny fambolena ny valalamena. Mitaraina ny tantsaha satria anatin’ny fotoanan’ny fararano izao ny faritra maro. Manahy amin’ny ho fiantraikany ratsy amin’ny fiotazam-bokatra ny mponina. Ny vary sy ny tongolo ary ny voamaina isan-karazany, […]
Vono olona sy halatra 10 tapitrisa Ar : anisan’ireo nohenoin’ny fitsarana ny vadin’ilay ramatoa
Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka, fokontany Anjeva Gara, ny herinandro teo. Anisan’ireo niakatra fampanoavana, omaly, ny vadiny niaraka tamin’ireo lehilahy fito hafa sy vehivavy iray… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona voarohirohy tamin’ ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nitranga teny Amboalefoka, fokontany Anjeva […]
Ambatondrazaka : jiolahy voatifitra teo amin’ny hatony
Voatifitry ny polisy teo amin’ny hatony ka nivoaka tamin’ny vavany ny bala. Tsy mbola maty fa manaraka fitsaboana eny anivon’ny CHRR Ambatondrazaka i Mainty, io omaly hariva io. Ikoizana amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana ity jiolahy raindahiny ity. Nanao vela-pandrika ny polisy ka tra-tehaka tao an-tranony ao Ambatoambo, Ambatondrazaka, […]






