Manara-maso akaiky ny fiatrehana ny fifidianana tahaka ny efa nataony ny eo anivon’ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika (CCFVP). Nitondra ny sosokeviny izy ireo amin’izany. “Tsy mpanao lalàna sy tsy mpanao politika ny CCFVP, fa mpampihatra lalàna amin’ny fiainana politika. Anisan’ ny sosokevitray voalohany dia hoe: tokony […]
Other News
Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony
Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Anosipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa […]
Mila mijoro
Anatin’ny fifampitsapan-kery tanteraka ny mpanao politika malagasy, ankehitriny. Iaraha-mahita sy miaina ny kivorivory etsy sy eroa, entina mampiseho fa manana olona mpanohana. Zary hifaninanana ny serasera sy ny fandokafan-tena fa mamy hoditra amin’ny vahoaka malagasy. Toe-javatra efa mahazatra raha amin’ny vanim-potoana tahaka izao, indrindra amin’ny faramparan’ny fotoam-pitondrana ho an’ny ankilany, […]
Razanamahasoa Christina: malahelo amin’ny fifampihantsiana politika
Tena efa tafahoatra ka tsy afaka ny hangina intsony! Tsy mankasitraka ny lahateny fihantsiana nahazo laka tato ho ato ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chirstine. Notsiahiviny ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. “Fotoana izao hanomezana vahana ny fitoniana… “, hoy izy tany Ambositra, ny sabotsy teo. Nanteriny fa tokony lahateny mivoy […]
Ampangabe : vehivavy nitondra vola sandoka 2 800 000 Ar
Noraisim-potsiny! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, tao amin’ny fokontany Soamanjaka, kaominina Ampangabe, omaly, ny vehivavy nitondra vola sandoka 140 isa amin’ny ravim-bola 20 000 Ar, izay mitentina 2 800 000 Ar. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, saika nividianany entana tamin’ireo tantsaha mpamboly eny amin’ iny kaominina iny ireto vola […]






