Nihazo ny faritra Menabe, hatry ny afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Nanentana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana ny tenany. Tsy mazava anefa ny fomba fiasan’ny CER sy ny CED any an-toerana. Nivoitra tamin’izany fa ahitana lisitra telo samihafa any Morondava amin’izao fotoana izao. “Tsy mitovy ny isa […]
Other News
Hetsika « Tselatra » : lavo i Rostely, dahalo raindahiny
Rotiky ny balan’ny miaramila, avy ao amin’ny 3ème Compagnie d’infanterie Etrotroka, ny dahalo raindahiny atao hoe Rostely, tao amin’ny fokontany Ambohimirafy, kaominina Ambohimandroso, afakomaly. Anatin’ny hetsika « Tselatra » ataon’ny Tafika eo anivon’ireo fari-piarovana rehetra manerana ny Nosy ity nahalavoana an’i Rostely ity. Niampy ny isan’ny mpitandro filaminana naparitaka eny an-kianja. Manao […]
Nifandona tamin’ny kamiao : maty ny mpamilin’ilay 4X4
Raim-pianakaviana efa lehibe 84 taona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Antanandava, kaominina Faralana, anatin’ny RN5a, omaly tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana avy any Antalaha nikasa hihazo an’i Sambava ity tra-doza ity. “Tsy salama ny mpamily io fiara tsy mataho-dalana io”, hoy ny zandary lehiben’ ny vondron-tobim-pileovana […]
Sinto-mahery : mpangalatra dimy lahy voasambotra
Nanaovan’ny polisy paikady, indray voasambotra ireo efa-dahy mpangalatra kojakojan’ny fiara eny amin’iny faritr’i 67 ha « Cenam » iny, omaly. Mampitaraina ny mponina ny fahaverezan’ny fitaovana anatin’ny fiara mipetraka eny an-toerana. Nanao fisafoana teny an-toerana, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be fokontany, Antetezana afovoany I, ny lehilahy iray. […]
Ambatondrazaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Miseholany amin’ny faritra maro ny fitsaram-bahoaka. Ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, jiolahy iray indray no notaperin’ny fokonolona ny ainy, tao Ambatondrazaka. Niharan’ny hatezeram-bahoaka, potiky ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny fokonolona ny jiolahy iray tamin’ireo dimy nanafika tao Menaloha, kaominina Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka, afakomaly. Dimy lahy ireo olon-dratsy no nanafika tokantranona […]






