Other News

Antenimierandoholona : hamafisina ny fiaraha- miasa amin’i Frantsa

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona fran­tsay, Gérard Larcher, tany Paris, ny filohan’ny Anteni­mie­randoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Herima­nana, ny 5 avrily teo. Nifan­toka tamin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Na­voitran’ny PS, Razafimahefa Herimanana, fa manan-danja ny fifandraisana manan-tantara amin’i Frantsa, izay nanohana hatrany an’i Madagasi­kara, na tao anatin’ny fotoan-tsarotra […]

Nitotongana ny tsena : tafidina 22.000 dolara/t ny vidin’ny nikela

Miantraika any amin’ny vidin’ny vy sy ny manodidina azy ny krizy ara-toekarena maneran-tany, ka isan’izany ny nikela. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana maneran-tany, taorian’ny krizy Covid- 19 no anisan’ny antony. Araka ny tsena iraisam-pirenen’ny metaly any Londres Angeletera (LME), tafidina 22.000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina ny faran’ny […]

Slam poèsie : hanomboka ny fifaninanana “Tour’nao”

Tontosaina rahampitso, eny amin’ny Cercle-Germa­no Malagasy, CGM Anala­kely, ny fifaninanana “Tour’ nao”, fihodinana voalohany. Fifaninanana Slam poèsie, karakarain’ny Ma­da­gaslam Section Tana (MST). Misy ny fepetra ma­nokana mandritra ny fifaninanana Slam poèsie. Efa manomboka ny fifaninanana fanomanana ny Slam nasionaly. Anisan’iza­ny ity karakarain’ny Mada­gaslam Section Tana ity. Fihodinana voalohany ity hotanterahina […]

Vatomandry: hanomboka anio ny “Festival Dola Beach”

Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny vaninandro fankalazana ny Paka, sahala amin’izao ny “Festival Dola Beach”. Niezaka nitondra fanatsarana ny mpikarakara tamin’ity andiany ity. Izany no natao ho fanehoana ny maha izy an’i Vatomandry. Tontosaina eny amin’ny torapasik’i Vatoman­dry, manomboka anio hatramin’ny 10 avrily 2023, ny “Festival Dola Beach”, andiany […]