Olona Nitokona teny Tsarasaotra : Nitorajofo ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo andian’olona nanakan-dalana…

Raikitra indray ny fanakanan-dalana tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana nataon’ireo andian’olona marobe teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mankany Ivato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Anton’izany, tohin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana, ny alakamisy hariva tamin’ny 7 ora, ka nahafatesana tovovavy 23 taona sy nandratra ny rainy. Mpianaka nandeha nody ary niampita teo amin’ny fiampitan’ny mpandeha an-tongotra no voadonan’ny fiara iray izay nirifatra mafy. Nitontona mafy tamin’ny tany izy mianaka voadoana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay tovovavy 23 taona ary vaky ny lohany. Naratra mafy kosa ilay raim-pianakaviana, izay voa mafy teo amin’ny tratrany. Nitsoaka ilay fiara tompon’antoka tamin’ity loza namoizana ain’olona ity. Naneho ny hatezerany manoloana izany ny fianakavian’ireo niharam-boina, niaraka tamin’ireo mponina eo amin’ny manodidina an’i Tsara­saotra. Vokany, nanapa-dalana sady nandrehitra kodiarana teo afovoan’ny arabe ireo mpanao fihetsiketsehana. Tapaka nandritra ny fotoana fohy ny lalana satria nobahanan’izy ireo sady tsy navelan’izy ireo handeha ny fiara, na ireo fiara avy any Tsarasaotra mihazo an’Ivato na ireo avy any Ivato mihazo an’Alarobia.

Tsy nanaiky hifampiresaka…
Tonga teny an-toerana ny polisin’ny UIR sy ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) Analamahitsy, notarihin’ny kaomandin’ny vondron’ny polisy an-dRenivohitra, nanao ny fandaminana sy nifampiresaka tamin’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto. Tsy nanaiky hiresaka anefa ireo mpitokona ka vao mainka niha nahery vaika sady nahery setra ny zavatra nataon’izy ireo. Voatery nampiasa hery tamin’ny alalan’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ny olona sy hisavana ny lalana. Teo koa ny fisian’ireo mpanararaotra amin’ny trangan-javatra toy izao. Nilaza ny fianakavian’ilay niharam-boina fa tsy hanaiky izy ireo raha tsy mitolo-batana ilay nahavanon-doza. Marihina fa tonga nifampiresaka tamin’ny polisy ny eo anivon’ny fokontany momba ity raharaha ity. Taorian’ny fifampiresahana, niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Voasoroky ny polisy koa ny fikasan’ireo olona sasany saika hanimba ny fananana iombonana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity. Efa nametrahan’ny fanjakana tetezamby mihantona natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra iny, araka ny fangatahana efa nataon’ireo mponina amin’ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga toy izao.

Jean Claude

Partager sur: