Other News

Fitsirihana ny lisitry ny mpifidy : manana 20 andro ny olom-pirenena

“Amin’ny fotoana hahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany no hanaovan’ny olom-pirenena fitsirihana azy, ary manana 20 andro izy amin’izany. Ao anatin’izay fe-potoana izay no hanaovana fanamarihana, fitarainana… Mila manatona biraom-pokontany ny olom-pirenena amin’izany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay […]

Pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi : “Aoka tsy ho mpitarika tahaka an’i Petera…”

Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Paska izao ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ireo nanamarika an’i Jesoa sy ireo manodidina azy toy ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny mahazatra amin’ny fety kristianina lehibe, toy ny paska dia nitondra ny hafatra ho an’ny mpino ny filohan’ny Fiango­nan’i Jesoa […]

Filoha Rajoelina sy ny filoha Isaac Herzog : hanohana ny angovo sy ny teknolojia ny israelianina

Nanao fivahinianana ma­sina tany Israely ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny vady aman-janany, nandritra ny fetin’ny Paska. Nohararaotiny tamin’izany ny fihaonana tamin’ny filoha israelianina, Isaac Herzog. “Mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Niom­panan’ny dinika nifanaovana ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny teknolojia, indrindra ny momba […]

Fandriampahalemana… mahafaoka be sy marolafy

Mby aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Hoe hatao laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, imasoana… Efa mba misy fihatsarana hatrany ifotony ve, ohatra, ny fiainam-bahoaka? Amin’ity hoe tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny fampandrosoana mivantana ny firenena ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay maika sy lehibe fa antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny […]

Velam-pandriky ny jiolahy : voatifitra i Djaffar, zandary iray naratra

Vita hatreo ny tantaran’i Djaffar, raindahiny amin’ny fakana an-keriny. Voatifitra teo amin’ ny lohany izy, tamin’ny zoma alina. Nieren-doza ny zandary iray, naratra ny tanany Nirefodrefotra ny basy tamin’ny zoma faha 7 avrily. Rotiky ny bala teo amin’ny lohany i Djaffar, ilay jiolahy raindahiny amin’ ny fakana an-keriny teto Madagasikara. […]