Tafakatra 10 ny razana hita : Mihorohoro ny fiarahamonina

Hita faty omaly, teny Ambohimanambola, i Aina, tovolahy 22 taona, nanjavona dimy andro lasa izay. 10 ny razana hita hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay. Miaina anaty horohoro ny fiarahamonina. Miantso vonjy, manaitra ny tomponandraikitra ny mpisintona lakolosy.

Tafakatra 10 ireo olona hita faty izay nanaovan’ny fianakaviany ombay mitady teto Antananarivo sy ny manodidina, nanomboka ny voalohan’ny volana jolay hatramin’ny omaly, raha ny zava-nisy sy ny tranga voarainay teto amin’ny gazety. Anisan’izany, i Aina, tovolahy 22 taona, hita faty tao amin’ny reninaron’Ikopa teny Ambo­himanambola, omaly maraina. Nitsingevana sy niankohoka tao anaty rano ny vatana mangatsiakany, izay efa nanomboka simba, raha ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana ny razana teny an-toerana.
Maty an-drano ny antony nahafaty azy, raha ny filazana taorian’ny fizahana nataon’ny manam-pahefana. Tsy nahitana ratra hafa tamin’ny vatany ankoatra ny teo amin’ny tarehiny sy ny lohany. Hafa ny fanambaran’ny fianakaviany. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny havan’izy ireo satria nahitana ratra sy mangana teo amin’ny lohany sy ny tarehiny.
Tsiahivina fa tany Tanjo­nandriana Ambohimanambola no nahitana farany azy, ny 15 jolay lasa teo. Mpianatra taona fahatelo tao amin’ny IT University Andoharanofotsy izy. Manaraka ny lalam-piofanana Informatika. Mbola hita teny aminy avokoa ny entany rehetra tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Toy ny akanjony sy ny kitapony ary ny volany. Namoaka fanambarana mba hahitana ny tena marina rahateo ny tale jeneralin’ity toeram-piofanana ity, Raza­finjoelina Tahina, omaly.

Mitombo ny tahotra
Mitombo ny tahotra eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanany manoloana ny fitomboan’ny fahitana fatin’olona. Efa nisy ny hafatra manokana sy ny baiko avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mahakasika ny hala-jaza sy vono olona. Manomboka mivoaka tsikelikely ny mpisintona lakolosy. Misy ny fitakiana sy antso avo ataon’ny firaisamonim-pirenena isan-tsokajiny. Ma­nai­tra ny manam-pahefana sy ny tomponandraiki-panjakana izy ireo mba handray andraikitra. Nambaran’izy ireo fa anisan’ny miteraka ahiahy sy horohoro goavana be eo amin’­ny vahoaka malagasy ny zava-misy. Anisan’ny nanao fanambarana sy fitakiana i Mbolatiana Raveloarimisa, filoha mpanorina ny fikambanana Autisme Madagascar. « Tokony hamafisina ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana sy ny fanamafisana ny fitaovana ampiasain’izy ireo, izay entina miady amin’izao asa ratsy izao », hoy hatrany izy.

Efa am-perinasa
Marihina fa efa naparatika tamin’ny faritra sy toerana maro teto Antananarivo sy ny manodidina ny mpitandro filaminana an-jatony tamin’ity voalana jolay ity. Natao hiaro ny vahoaka sy hanara-maso ny tranga mampihoroho ny vahoaka eny ifotony izy ireo. Teo koa ny fananganana ny ivontoerana manokana miandraikitra ny fikarohana ireo mpaka an-keriny sy ireo olona tsy hita (Anti-Abduction Operation Center). Andrasana ny vokatra azo tsapain-tanana.

Mino

Partager sur: