Other News

Nilalao teo an-davarangana: Roa maty, iray naratra nilatsaham-potaka 

Misesisesy ny olona maty nilatsaham-potaka tato ho ato. Ankizilahy miisa telo, indray lasibatr’izany, tany Bemahatazana, Tsiroanimandidy, afakomaly hariva. Maty ny roa, mbola manaraka fitsaboana ny iray. Nirefotra mafy sy namono olona indray ny va­ratra tany Atsimombo­hitra, fo­kontany Bemahata­zana I, kaominina ambanivohitra Bema­hatazana, disitrikan’i Tsiroani­man­didy, faritra Bongolava, afakomaly tokony ho tamin’ny […]

Soccer Camp : Tonga hanofana i Farinha sy i Fernandes

Nigadona eto Madagasi­kara, ny alarobia lasa teo, ireo teknisianina portugais amin’ny baolina kitra, i Guilherme Farinha sy i Rui Fernandes. Anton-dian’izy ireo ny hampiofana mpanazatra sy ankizy, fiaraha-miasa amin’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Niatrika avy hatrany ireo mpanazatra miisa 25 teny amin’ny Com­plexe sportif Ambatolampy Tsimahafotsy sy Betongolo izy […]

hIsantarana ny taona 2026: Hamoaka ny “Aza mifanambany” i Désiré

“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré nandritra ny telo volana. Rakitsary sy feo isantarany ny taona 2026. Amin’ny ankapobeny, mpanakanto mi­voy ny gadona tropikaly ity zanak’i Mananara Avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona “coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe: “Ny mpanakanto no mpitondra ny hafatry ny va­hoaka, […]

“RDJ Mozika 2025”: Sokajy 22 no hifaninanana

Hiverina ny fankasitrahana izay ho “Mpanakanton’ny taona 2025”. Io ny mari-pankasitrahana ambony indrindra, izay vaovao lehibe nivoaka nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “RDJ Mozika 2025”, omaly, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Ankoatra izay, hisy 22 ny sokajy hifaninanan’ireo hira nofantenana amin’ity andiany ity. Hoton­tosaina ny 21 febroary izao ny lanonana […]

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny […]