Naneho fiaraha-miory sy nampahery ny any Atsinanana, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Niantso ny firaisankina sy ny fifanampiana ary ny fifanohanana ny tenany ary haneho ny voin-kava-mahatratra. «Ilaina ny fanampiana sy ny fanohanana ary efa manana solontena any izahay hijery ny azo atao», hoy […]
Other News
Kolikoly eto Madagasikara: “Tsy misy fiovana firy ny vokatry ny ady natao”
Isa 25/100 (IPC) no azon’i Madagasikara tamin’ny taona 2025, raha 26/100 tamin’ny taona 2024. Nihena iray ny isa azo, araka ny tatitry ny Transparency-International Initiative Madagascar (TI-MG), teny Andrainarivo, afakomaly. Laharana faha-148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara, raha faha-142 tamin’ny taona 2024. “Tsy midika hoe nisy ezaka be tamin’ny 2024 […]
Fiaraha-mientana
Tena nanao ny nataony ny rivodoza farany teo. Sasatry ny miarina ny firenena ao anatin’ny faritra iforonana sy andalovan’ny rivodoza, saika isan-taona. Na izany aza, tsy atao hahakivy na handreraka ambony ihany izany: tsy maintsy atrehina, iomanana mialoha hatrany. Mby amin’ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Efa […]
Hamehana ny fanarenana: Miantso ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny Praiminisitra
Manaraka akaiky ny fivoarana sy ny takaitran’ny rivodoza Gezani ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Nisy ny dinika nampitain-davitra nanomezany toromarika ny mpikamban’ny governemanta. Manatanterahana iraka any ivelany amin’izao fotoana izao ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Na izany aza, anaty hamehana ny firenena ka nampiantso ny filankevitry ny governemanta maika amin’ny alalan’ny ampitain-davitra […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Maevatanàna ny marain’ny 10 febroary 2026. Voampanga ho nanolana zazavavikely vao enin-taona monja, tany amin’ny fokontany Ambalaranokely, izy io. Nandositra izy taorian’ny asa ratsiny ary nokarohin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra teo am-pitadiavana lalana handosirana izy. Niaiky ny heloka vitany ary fantatra fa […]






