Other News

Kolontsain’ny fiarahamonina: Mahay “zavatra” ny Malagasy?

Raha vao misy tranga tsy fahita matetika, mahay zavatra ny Malagasy. Lafiny maro no ironan’ny saina amin’izay fotoana izay. Indraindray tsy tafatombina eo amin’ny tokony ho izy fa mijanona ho petra-kevitra fotsiny ihany. Iraisan’ny firenena ambara ho tatsinanana ilay atao hoe “mahay zavatra”. Amin’ ny ankapobeny, lova niainga tamin’ireo fahalalan-javatr’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Entanin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tsy hanararaotra ny fahavoazana, hampiakarana ny vidin’entana, ny mpivarotra sy ny mpandraraha rehetra manerana ny Nosy, ankehitriny. Hentitra ireo mpanara-maso, hiparitaka hitety tsena. Azo antsoina ny laharana maitso 961 handraisana ny fitarainana, raha misy tranga mampiahiahy. Miverina tsikelikely ny sidina ataon’ny kaompania Madagascar Airlines […]

Famonjena ny traboina : Hetsehina ny Fandaharanasa Repair

Nivory maika, omaly hariva, ny komity teknika sy ny komity mpitantana ny tetikasa Repair, tarihin’ny minisitry ny Toekare­na sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Lohahevitra nodinihina ny fanapahan-kevitra horaisina mom­ba ireo hetsika vonjy taitra entina miatrika ireo voina noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani. Famatsiam-bola avy amin’ny […]

Brio Connect-Yas : Tohanana amin’ny niomerika ny orinasa

Nivoaka ny gazety boky niomerika Brio Connect. Hisy hetsika fampahafantarana azy sady fihaonana mivantana ho an’ny samy mpandraharaha (B2B) atao anio sy rahampitso, eny amin’ny CCI Ivato. Hisy ny fifankafantarana, ny fifampiraharahana « Net Working » ho an’ny samy mpandraharaha. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana ara-barotra. Eo koa ny famelabelaran-kevitra miankina amin’ny lohahevitra […]

Fandalovan’ny rivodoza Gezani: Miverina tsikelikely ny fifamoivoizana

Nahitana fahasimbana avokoa ny lalam-pirenena (RN2, RN5, RN44, …), nandalovan’ny rivodoza Gezani. Lalana manana ny lanjany amin’ny toekarena, ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra avokoa, izy ireo. Namela takaitra mafy ta­min’ny fotodrafitrasa toy ny lalana i Gezani. Maro ny hazo sy andrin-jiro nianjera teny amin’ny arabe. Misy koa ny saron’ny […]