Other News

Fifidianana kaOminaly : namaly ny MMM ny Ceni

“Ny rafi-pitantanana eto amintsika, tsy ny Ceni irery no manapa-kevitra. Aza hadinoina, fa misy mbola iandrasana didim-panjakana ny asan’ny Ceni sasantsasany. Tsy manana fahefana hamoaka didim-panjakana ny Ceni.” Izay ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, mom­ba ny fitakian’ny mpanao politika sasany, toy ny MMM ny tokony hamoahana ny […]

Amoron’i Mania sy Ihorombe: nosoloina ireo governoram-paritra

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavo­loha, ny nanendrena ny Dr Ramananjarasoa Clarisse Eugenie, ho governoran’ Ihorombe. Tahaka izany koa ny nanendrena ny ben’ny Ta­nànan’Ambositra, Fomendra­za Haingo Elysette ho governoran’ny faritra Amoron’i Mania. Izany hoe, olom-boafidy nivadika ho olom-boatendry, manomboka izao. Ani­san’ireo niteraka resabe ny fomba fiasa sy […]

Filohan’ny SMM : “Avelao hanana ny fahaleovantenany ny fitsarana”

“Mangataka ary mbola manamafy hatrany izahay hoe: avelao hanana ny tena fahaleovantenany ny fitsarana. Tsy idirana mpanao politika izany, indrindra ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitana­rivo, teny Faravohitra, afakomaly, momba ny fisian’ny mpitsara sy mpirakidraharaha voatonontonona amin’ny tambajotran-tserasera sosialy […]

Fikaroham-bahaolana : noraisin’ny Pnud ny HVM

Nihaona tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sa­nogo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sady filoha nasionalin’ny HVM, teny Andraharo, oma­ly. Niompana lafin-javatra maromaro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Anisan’izany ny fijerena vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Eo koa ny lafiny sosialy sy ny momba ny toekarena. […]

Fiatrehana ny fifidianana : mitaky fitsipi-dalao mazava ny Vondrona Panorama

Nifamory, nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Antanimena ny eo anivon’ny Vondrona Panorama, omaly. Ahitana ireo antoko politika maro sy fikambanana samihafa avy amin’ny fanoherana izany. Nisongadina tamin’izany ny resaka fifidianana. “Ilaina ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ka tokony ho tafiditra eo anivon’ny Ceni avokoa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny […]