Faty hita etsy sy eroa : “ asa fampihoroho­roa­na”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana

Nilaza ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa asa fampihorohoroana ny zava-mitranga eto Madagasikara ankehitriny. Faty roa no hita omaly teny Namontana sy Antohomadinika. Marihina fa tafakatra 172 ny zaza very manerana ny Nosy.

Miseholany ny fahitana fatin’olona etsy sy eroa. “Tsy politika intsony fa asa fampihorohoroana ny zava-misy, izay entina hampisehoana amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa tsy milamina i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Madaga­sikara, omaly. Miantso firaisankina sy fiombonam-po, ary fifampitokisana amin’ny va­hoaka malagasy ny tenany manoloana izany. Mangataka fiaraha-miasa avy amin’ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpitandro filaminana izy mba hahafahana mahatratra ny olon-dratsy manao asan-devoly, araka ny filazany. “Tsy misy herin’ny maizina mandresy mazava izany”, hoy ihany izy.

172 ny zaza very

Miisa 172 ny zaza very manerana an’i Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ny polisim-pirenena, omaly. Teto amin’ny faritra Analamanga avokoa ny 119 tamin’ny tranga. 90 teto amin’ny renivohitra, 45 ny tany amin’ny faritra hafa. Valo amin’izy ireo no efa hita saingy maty avokoa. Hatramin’izao, mbola manodidina ny 83 isa ireo zaza mbola tsy hita, raha ny tatitra voaray hatrany. Marihina fa tranga niseho tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona izany.

Faty hita tetsy Antohomadinika

Hita faty tao anaty rano maloto tetsy Antohomadinika afovoany, ny tovolahy iray 20 taona antsoina hoe Judicael, omaly maraina. Mbola teny aminy ny findainy tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Tsy nahitana ratra, tsy nahitana tsindron’antsy ary mbola tao avokoa ny taova tamin’ny vatany rehetra, raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakaviany sy ny teny amin’ny Tranom-paty, omaly. Tsy nisy namono izy fa manana aretina mitaiza matetika, mety nihetsika ny aretiny ka izay no mety nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviany ihany. «Nivoaka ny trano hividy fahana atao amin’ny finday izy ny alin’ny alatsinainy 6 jolay lasa teo satria simba ny fahitalavitra tao an-trano», hoy ny rai­ny. Tsy naharenesana vaovao intsony izy taorian’izay ary izao hita faty izao. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana. Natao ny fikarohana sy ny ombay mitady tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Marihina fa mpianatra tokony hanala fanadinana bakalorea amin’ny herinandron’ny 20 jolay izao izy. Efa nalain’ny fianakaviany teny amin’ny Tranom-paty ny razana ka nentina eny amin’ny trano fonenany.

Vehivavy tetsy Namontana

Tetsy ankilany, vehivavy iray 50 taona, hita faty tetsy Namontana, omaly maraina. Nahitana soritra herisetra ara-batana ny vatana mangatsiakany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nampandre ny polisim-pirenena ny sefo fokontany. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nanao ny fanadihadiana izy ireo taorian’izay. Mbola hita teo akaikiny ny kitapony. Tsy mbola fantatra ny tena antony nahafaty azy. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny to­hin’ny raharaha.

Lehilahy iray nangala-jaza

Ankoatra izay, lehilahy iray hafa, nikasa hangala-jaza, voasambotry ny fokonolona teny Lazaina, Anosiavaratra, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora. Nanenjika ankizivavy roa samy 14 taona, nilalao teny an-tanimbary izy. Nitsoaka izy roa vavy, nanatona sy niantso vonjy tamin’ny olon-dehibe teny an-toerana. Tezitra ny fokonolona, nanenjika ity lehilahy voalaza nikasa hangala-jaza ity.
Tonga teny an-toerana nisambotra azy ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Sabotsy namehana sy ny polisy vantany vao nahazo antso. Nentina natao famotorana eny amin’ny kaomisaria Avara­drano izy taorian’izay. Raha ny fantatra, mponina avy any Ambatoroka izy no tonga any Lazaina. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Mino

Partager sur: