Other News

Minisitra Ramonjavelo Valéry : harenina ny fitaterana

Vita, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra teo aloha, nisahana ny Fitaterana sy ny famanta­rana ny toetr’andro (MTM), Ranjatoelina Rolland, sy ny mpandimby azy, Ramonja­velo Valéry. Nohamafisin’ity farany fa ho jereny akaiky ireo seha-pitaterana manan-danja rehetra, mifanaraka amin’ny vinan’ ny filoham-pirenena. Isan’izany ny fitaovana entina hanatsarana ny foibe famantarana ny […]

Zara raha fantatra i Maintirano

Anisan’ny seranan-tsambo, sokajy PIR i Maintirano, any amin’ny tapany andrefan’i Madagasikara. Distrika iray ao amin’ny faritra Melaky, zara raha fantatra ny momba azy. Tokony ho 600 km avy eto an-dRenivohitra, ka hatreo Tsiroanomandidy no 200 km, vita tara. Manomboka eo Tsi­roanomandidy hatrany Main­tirano, tsy azo aleha noho ny asan-dahalo sy […]

Filoha Rajoelina : « Vahaolana ny angovo azo havaozina »

Nahitsy ny filoha ! « Mano­didina ny 1.300 miliara Ar isan-taona ny trosa tsy voaloan’ny Jirama », hoy ny fi­loha Rajoelina, omaly, teny Iavoloha, nandritra ny filankevitry ny minisitra. Notso­riny, fa tsy voatery hanampy ara-bola ny Jirama foana ny fanjakana, fa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra mikaroka vahaolana. Isan’ny va­haolana nomeny ho an’ny Jirama […]

Mahajanga : tsy misy fikarakarana nandritra ny taona maro ny seranan-tsambo

Misy seranan-tsambo 17 samihafa eto Madagasikara. Sokajy voalohany, ho tombontsoam-pirenena (PIN)* sy sokajy faharoa, ho tombontsoan’ny faritra (PIR)*. Anisan’ny ny seranan-tsambo sokajy PIN i Mahajanga. Maro amin’ireo sera­nana ireo mihasimba, tsy araka ny maha Nosy an’i Madagasikara, Se­ranan-tsambo anisan’ny lehibe sy matanjaka ny ao Maha­janga, hatramin’ny andron’ny fanjanahantany, repoblika voalohany […]

Tsenan’Anosizato : nahena ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra

Nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’Anosizato ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo sy ny mpiara-miasa aminy, omaly maraina. Noho ny fisian’ny krizy, nohalefahiny ny fandoavana ny haban-tsena mbola tsy voaloan’ireo mpivarotra eny an-toerana. Maro ny fangatahana na­taon’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonana. Nitaky ny fitaovana hanadiovana sy hana­lana ny fako mitoby eny anivon’ny tsena […]