Tontosaina anio, eny amin’ny G&V inn, Andrefan’ Ambohijanahary, ny hetsika “Gitara Malagasy”. Fampisehoana hanehoan’ny mpianatra niatrika ny atrikasa nandritra ny roa andro. Hetsika vaovaon’ny EGM-Conservatoire de musique, nanomboka tamin’ity taona ity izy ity. Tanjona ny fampitomboana hatrany ny fahaizana sy fahafehezan’ny Malagasy ny gitara. Tamin’ity volana ity, ny tsapiky sy […]
Other News
Festival Zaza mifety 2023 : hanome sehatra ny tanora ny IFM
Hiavaka ny hetsika hotanterahina etsy amin’ny Institut Français de Madafascar (IFM) manomboka ny 25 febroary izao. «Festival Zaza mifety 2023», hanomezana sehatra sy hikoloana ary hampivelatra ny talentan’ny ankizy sy ny tanora. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny teatra, sarimihetsika, angano, fanova-maso, mozika… Sabotsy 25 febroary ka hatramin’ny 4 marsa, hisy hatrany […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny: apetraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny teny malagasy
“Tenindreny ibeazana, fanoitra ho an’ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly. Hetsika marolafy no nanamarihana ny omaly 21 febroary, izay natokan’ny Unesco ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny isan-taona. Nisy ny lahateny manokana nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana omaly, […]
Minisitry ny Atitany : “Efa alefa mialoha ny fanampiana”
“Alefa mialoha ireo fanampiana eritreretina omena an’ireo izay mety ho traboina vokatry ny fandalovan’io rivodoza io. Efa manao an’izany ny BNGRC amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Antanimora, afakomaly. Mametraka ny tahiry amin’ireo toerana efa fantatra mialoha fa handalovan’ny rivodoza ry […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Tokony hiova ny fomba fiasan’ny fitondrana”
“Aleo mba jerena ihany ny tombontsoam-bahoaka. Ny fomba fiasan’ny fitondrana no tokony hiova hatramin’ izay. Ny fijerena izay laharam-pahamehana no tokony hatao ho an’ny vahoaka, fampihenana ny vidim-piainana”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa. Mitovy ihany na ovana na tsia ny governemanta. Tsy hamaha ny fahasahiranam-bahoaka io. Ny fanovana azy […]







