Other News

Fitsindromana “Heroïne”: naiditra am-ponja ilay Jeneraly polisy

Nalefa eny Antanimora ilay kaomisera divizionera, tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny By Pass. Nanaraka fitsaboana izy mialoha ny fandefasana azy any am-ponja. Taorian’ny fihainoana azy teny amin’ny fitsarana, afakomaly, migadra etsy Antanimora ilay kaomisera divisionera mpidoroka sady mpivarotra “Héroïne” sy Méthamphetamine. “Mbola nanaraka fitsaboana, nanadiovana ny vatany na […]

Entona nipoaka : lehilahy iray naratra, naiditra hopitaly

Nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly, ny olona iray naratra mafy vokatry ny fipoahan’ny «bouteille à gaz» tao Mangarano Toamasina, omaly. “Nisy nanary tamin’ireo tavoahangy nisy entona ireo ka nitarika ny fipoahana”, hoy ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasina. Notahirizina tao amina tokantrano iray ireo tavoahangy maromaro misy entona. […]

Toamasina : hotsaraina tsy ho ela ny raharahan’ny kaominina Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana

Nisongadina tamin’ny ta­titra tao amin’ny efitrano ma­lalaky ny fitsarana ambony Toamasina ny momba ny asa vita sy ny vina ho an’ny taona 2023 teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady ara-bola. Nilaza ny filohan’ny sampam-pitsarana ny tsy maintsy hitsarana ny raharaha kaominina Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Nisy ny fitsirihina nataon’ny fitsarana […]

Ivato : sarona ireo telo lahy mpivarotra rongony

Mpivarotra rongony telo lahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina tetsy Ivato K5, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao tamina tomponandraikitra iray ao an- toerana ny polisy momba ireto mpivarotra rongony ireto. Nidina tampoka, tra-tehaka teo amin’ny faritra voatondro tokoa ny telo lahy. Natao ny fisavana, […]

Ady tany niafara tamin’ny vono olona : lehilahy iray maty voatifitra, iray hafa azo velona

Disadisam-pianakaviana tonga hatramin’ny ra nandriaka. Nifamaly ireto mpihavana ka novonoin’ny dadatoany sy ny namany ny havany nifan­ditra taminy noho ny resaka ady tany. Maty voatifitry ny polisy miasa ao Sakaraha, omaly, ny lehilahy voarohirohy tamin’ilay vono olona tao an-toerana ny alin’ny alahady teo. Voasambotra tao Anda­boly-Toliara, afakomaly, kosa ny namany […]