Other News

FMI : miankina amin’ny toekarena sinoa

Miankina amin’ny fiverenan’i Chine ny toekarena eran-tany, raha ny fahitan’ny FMI azy. Hiakatra 5,2 % ny toekarena sinoa amin’ity 2023 ity ary 4,5 % amin’ny taona 2024. Amin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny toekarena sinoa dia tombontsoa ho an’ny toekarena eran-tany, hoy ny mpanadihady iray ao amin’ny FMI. Eran-tany, hitombo 2,9 % […]

Varotra rongony : lehilahy roa voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ireo tovolahy miisa roa afakomaly. Tratra nivarotra rongony teny Manakambahiny sy Ambodivona izy ireo tamin’izany. Naharay fitarainana mikasika io tranga io ny eo anivon’ny sampana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina (Stup) eny Anosy ka nahatonga ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena. Vokany, voasambotra nandritra izany ny roa lahy anisan’ny […]

Miandahy miambavy ireo mpamaky trano: amidin’ireo jiolahy 60 000Ar ny ordinatera halatra

Ravan’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry ireo tambajotran-jiolahy (ahitana vehivavy) mpamaky trano. Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy telo mpamaky trano ny 10 febroary 2023 teo no nahafahana nisambotra ireo namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, maromaro ireo olona niharan’ny vaky trano ka nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Vatomandry. Natao […]

Kraomita Malagasy: naiditra am-ponja ny tompon’antoka tamin’ny fandrobana

Taorian’ny fandrobana sy fakàna ny fananan’ny orinasa Kraomita Malagasy tao Brieville-Tsaratanana, naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka ilay tale iray eo anivon’ny faritra Be­tsiboka voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny orinasa. Isan’ny nofonjaina miaraka aminy ihany koa ny mpamiliny. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana janoary 2023 no nahatrarana ireo fitaovana […]

Namearison Robert: “Malok’ila ny datim-pifidianana”

“Malok’ila ny datim-pifidianana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabe­azana olom-pirenena, i Na­me­arison Robert, momba ny datim-pifidianana navokoan’ ny Ceni. Milaza mazava ny And. 52 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana fa 31 mey farafahaingany ary 31 novambra farafahelany ny tokony hanaovana fifidianana. Tafi­ditra amin’izany ny 9 novambra fihodinana voalohany, fa tsy […]