Other News

Sambo vaventy: mpizahatany 1.608 tonga any Toamasina

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny ala­tsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deli­ziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa in­drindra. […]

Tetikasa Tatom : hitarina ny seranan-tsambon’i Toamasina

Niara-nidinika mikasika ny tetikasa Tatom (Antanana­rivo-Toamasina, Madagasi­kara) ireo minisitera efatra, omaly, teny Anosy. Nahitana ny sekreteram-panjakana misa­hana ny tanàna vaovao, mini­siteran’ny Fanajariana ny tany, minisiteran’ny Fitate­rana ary ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tanjona ny hanajariana ny fitaterana sy ny tanànan’An­tananarivo, Toamasina ary ny tambajotra Antananarivo- Toa­masina. Nandinika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i […]

Varotra lavanila: tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana

Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny. Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voa­omana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) […]

Slam-Poésie : hiaka-tsehatra i Hichim

Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Under­ground Antsahavola, ny he­tsika “The Blind date”, fampisehoana Slam-Poésie iarahana amin’i Hichim, tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Slam-Poésie, taona 2022. Tanjona amin’ity fampisehoana ity ny fanomezana lanja manokana ny fitiavana. Hiaka-tsehatra indray i Hichim na Abdoul Anlim Abdillah, taorian’ny naha voahosotra ho tomponda­kan’i Madagasikara azy. Hiantsa […]