Other News

Hetsika iraisam-pirenena: handray ny “Nosy Boraha Jazz Festival” i Sainte Marie

Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ […]

Prix Paritana andiany fahafito: nampiofanina izay handray anjara amin’ny fifaninanana

Efa miroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito ny mpikarakara. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpikarakara amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity. Nahazo ny fampiofanana sahaza azy ireo m­pandray anjara amin’ny fifaninanana  «Prix Pa­ri­tana» andiany fahafito. Fam­pi­ofanana nampahafantarana azy ireo mahakasika ny fifaninanana, ny fanomanana sy fikarakarana […]

Fakafaka: «Tsy mbola afaka, tsy mbola mahaleo tena isika» !

Nazava be io tenin’i Dama (Tarika Mahaleo) io, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampisehoana notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. «Mbola manao tolom-pahafahana isika. Tsy mbola afaka sy tsy mbola mahaleo tena isika», hoy izy. Notohizany tamin’ny hoe : «Aoka tsy hiandrasana ny hafa ny hanavotra antsika […]

Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Tsy voahaja ny HCC momba ny governora”

“Raha nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), nangatahin’ny Ante­nimieram­pirenena sy ny fiadidiana ny Repoblika ny heviny momba ny governora dia nambarany hoe vonjimaika ihany io.” Izay ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny mbola tsy fisian’ny fifidianana ny governoran’ny faritra […]

Faritra Bongolava: miantso fitoniana ny fikambanan’ ny ben’ny Tanàna

“Tsy miady na amin’iza na iza izahay ben’ny Tanàna, fa izay olona vonona hitarika fampandrosoana amin’ny fa­ritra Bongolava no iarahanay. Tsy miady amin’izay olona apetraky ny filohan’ny Repoblika izahay.” Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanà­na, faritra Bongolava, ny ben’ ny Tanànan’i Bemahatazana izay 16 taona nitantana kaominina, Ramarosona […]