Other News

Rajaonarimampianina ho kandidà: miandry kongresin’ny HVM

“Misy rafitra mifehy ny antoko. Ny kongresy izany. Manaja ny rafitry ny antoko ny filoha Rajaonarimam­pianina filohan’ny antoko. Andrasana amim-pitoniana ny filazana izay fanapahan-kevitry ny kongresy izay”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, ny amin’ny firotsa­han’ny filoha teo aloha hofidina filohan’ny Repoblika in­dray na tsia. “Miandry isika rehetra […]

Minisitry ny Serasera : “Manana andraikitra goavana amin’ny fifidianana ny radio”

Mafanafana ny tontolo politika sy ny serasera ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Manana andraikitra goavana amin’izany ny radio, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. “Hiankinana andraikitra goavana isi­ka amin’ity taona 2023 ity amin’ny maha fo­toam-pifidianana azy. Amin’ ny alalan’ny radio no hala­lan’ny olom-pirenena ny fizotran’ny fanomanana sy ny […]

Famonoana an’i Allan: “Efa niaiky heloka ilay noahiahina”

Anatin’ny fanadihadiana lalina tanteraka ny eo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava momban’ny fahafatesan’ilay zazalahikely. Nanomboka ny zoma alina, hatramin’ny alahady hariva, efa tafakatra enina ireo nalaina am-bavany ary notazonina teny anivon’ny BC, araka ny loharanom-baovao voaray. Nanamafy ny renin’i Allan fa tsy maintsy ho tratra ny nahavanon-doza. “Misy […]

Tsy ho voapempo lava !

Miaina anatin’ny tontolo politika mangina tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Eny amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera no handrenesana na ahitana don-tandroka sy fifampihantsiana, miharo fanaratsiana isan-karazany. Tsy misy mipika ny feo amin’ny kajikajy ataon’ny ankolafin-kery samihafa. Ny fanomanana kongresy etsy sy eroa no mafotaka sy mahoraka. Anatin’ny paikady ho […]

Voalaza saika hanendaka: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no maty nodoran’ny mpianatra velona, omaly. Voalaza fa saika hanendaka sy handroba niaraka tamin’ny basy vita gasy, tanatin’ny faritry ny oniversite izy. Raikitra ny tabataba. Nahoraka tao amin’ny “campus” Maninday-Toliara omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo. Lehilahy iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa saika hanendaka mpianatra tao […]