Other News

Rugby: mitaky ny mangarahara ny ekipa «  Top 20 »

Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly. […]

Lomano-Analamanga : nanokatra ny taona 2023

Nisokatra ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifaninanana teo amin’ny sokajy « Jeunes » ny nanombohana izany, izay nivondronan’ireo seksiona sy klioba mandrafitra ny ligin’ Analamanga. Mbola ho avy ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy hafa, fa fanombohana ity, […]

Kitra any ivelany: afaka mifandona amin’ny Bayern i Messi, Tsy mbola fantatra i Mbappe

Hotanterahina amin’ny talata ho avy izao ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalana ny “Ligue des Champions”Eoropa. Afaka milalao tsara amin’ny fihaonan’ny PSG sy Bayern, i Lionel Messi, mpilalao PSG. Ary tsy mbola fantatra ny an’i Mbappe, lohalaharana PSG. Afaka tamin’ny adin-tsaina ny mpakafy Paris Saint-Germain, klioba Frantsay, raha nijery ny tambajotran-tserasera, omaly. […]

UJSM: nivory sy niara-nikorana

Tontosa soa aman-tsara ny asabotsy 11 febroary lasa teo, teny amin’ny ANS Am­pefiloha, ny fivoriana ara-potoana fanao isan-taona, ho an’ny UJSM (Union des Jour­nalistes Sportifs de Mada­gascar). Fotoana nanaovana ny tatitra ara-moraly sy ara-bola ary koa fanamafisana sy fanovana fitsipika anatiny, teo anivon’ny fikambanana. Mpa­nao gazety ara-panatanjahantena 50 teo ny […]