Other News

Antenimieran-doholona : hanao tetikasa lavitr’ezaka miaraka amin’i Frantsa

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Raza­fimahefa Herimanana, omaly tetsy Anosy, ny loholona fran­tsay, Rtoa Samantha Caze­bonne sy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Gaulois. Nanatrika ny fotoana koa ny kestiora, Eddie Fer­nand Serge. Noresahana ny lafiny fampianarana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany […]

Efa nokarohina hatry ny ela…: tratra ireo jiolahy roa mpivarotra finday halatra

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka an’habaka Anosy, teny Ambodin’Isotry, ny talata teo, ireo mpangalatra finday gagilahy eto an-drenivohitra. Jiolahy nokarohina efa ha­try ny ela ireto roa lahy tratran’ny polisy. Raha ny fanazavan’ireto farany, maro ny fitarainana voarain’ity sam­pandraharaha ity momba ny fisian’olona mivarotra finday avolenta kanefa halatra sy tsy […]

Jirama: ho tapaka ny jiro Anosizato hatrany Itasy anio

Hita avokoa ny fototry ny olana mikasika ny fama­tsiana herinaratra miainga eny amin’ny toby « sous-station Tana Sud » Anosi­zato hatrany amin’ny faritra Itasy. Tsy maintsy hatao, araka izany, ny fanarenana sy ny fanamboarana ny simba. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa sarotsarotra ny asa sady maro ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanapahana […]

Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana: tandindonin-doza ny ho avin’ny mpiasa ao Toamasina

Tandindonin-doza indray ny mpiasam-panjakana ma­nodina tsy ankiato ny fampandehanana ny Antenimie­ran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao amin’ny faritra atsinanana. Noho ny ady misy eo amin’ny vondron’ny mpandraharaha roa nandray anjara tamin’ny fifidianana tamin’ ireo efatra no mahatonga izany: ny Goept sy ny Geptoa. Man­gina kosa ny […]

Ampangabe : namboly zanakazo 6 000 ny MMRS

Natao, omaly zoma 10 fe­broary ny fambolen-kazon’ ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Teny amin’ny fokontany Ambohi­barikely Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatan­terahana izany. Miisa 6 000 fototra ny zanakazo nambolena tamina velarantany 3 ha. Nandray anjara avokoa ny mpiasan’ny minisitera foibe sy […]