Hotanterahina amin’ny talata ho avy izao ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalana ny “Ligue des Champions”Eoropa. Afaka milalao tsara amin’ny fihaonan’ny PSG sy Bayern, i Lionel Messi, mpilalao PSG. Ary tsy mbola fantatra ny an’i Mbappe, lohalaharana PSG. Afaka tamin’ny adin-tsaina ny mpakafy Paris Saint-Germain, klioba Frantsay, raha nijery ny tambajotran-tserasera, omaly. […]
Other News
UJSM: nivory sy niara-nikorana
Tontosa soa aman-tsara ny asabotsy 11 febroary lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fivoriana ara-potoana fanao isan-taona, ho an’ny UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar). Fotoana nanaovana ny tatitra ara-moraly sy ara-bola ary koa fanamafisana sy fanovana fitsipika anatiny, teo anivon’ny fikambanana. Mpanao gazety ara-panatanjahantena 50 teo ny […]
Orange Pro League: nandresy ny Uscafoot sy ny Disciples FC
Notanterahina ny asabotsy sy ny omaly alahady ny andro fahadimin’ny fifaninanana Orange Pro League Madagasikara. Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Disciples FC. Lavon’ny ekipan’ny kaominina tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Lalao ho an’ny kaonferansy avaratra izay notanterahina teny amin’ ny […]
Basikety-BWB GLOBAL CAMP 2023: mpilalao 40 voalohany mendrika eran-tany i Mathias M’Madi
Mivoatra hatrany ny mpilalao basikety malagasy. Taorian’ny naha voahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny Afrobasket U18 sy ny niatrehan’ny “Camp BWB Africa”, voaantso hiatrika ny “BWB Global Camp” indray, i Mathias M’Madi. Mathias M’Madi, mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, voafidy ho mendrika indrindra, sady mpampidi-baolina betsaka indrindra nandritra ny […]
AFT : andiany faha-5 ny « Championnat de lecture »
Raikitra ! Hotanterahina ny 1 marsa ka hatramin’ny 11 marsa izao ny « Championnat de lecture » andiany faha-5, na ilay fifaninanana fahaiza-mamaky teny karakarain’ny Alliance Française Antananarivo. Ny 18 marsa kosa no hanatontosana ny famaranana. Hifarana ny 22 febroary izao kosa ny fisoratana anarana. Hizara telo ny sokajin-taonan’ny mpandray anjara : 9 ka […]







