Other News

Malagasy Rugby: hanao lalao iraisam-pirenena maro ny Makis

Amin’izao taom-pilalaovana 2023 izao, hanatrika fihaonana iraisam-pirenena maro ny Makis an’i Madagasikara. Miisa dimy ireo ekipa Makis hanao izany lalao izany, araka ny fanazavana nentin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby. Miisa dimy ireo ekipa Makis an’i Madaga­sikara hanao lalao iraisam-pirenena, taranja Rugby, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Isan’izany ny Makis U20, ny […]

Leo fahantrana… mazotoa mifidy !

Ohatrany hoe tsy mba misy zavatra mahafinaritra izany eny anivon’ny firahamonina malagasy, ankehi­triny ! Vokatry ny fahantrana, zary manaotao fahatany ny sarababem-bahoaka. Maro ny mamono tena, betsaka ny fametavetana ny maha-olona, very hasina ny aina. Bai­koin’ny vola sy ny tsy fisiana. Manahi­rana na ny mire­saka azy aza ! saingy tsy maintsy vakiana […]

Adin’ny mpivady: notondrahana rano mangotraka i Sendra

Notondrahan’ny vadiny rano mangotraka sy nokendaina i Sendra, monina etsy Ambohimiandra, boriborintany II. Potika ny vatany, tsy afaka mampinono ny zanany vao herintaona izy. Mampivarahontsana! May kila ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny an’i Sendraniaina, ny zoma lasa teo. Renim-pianakaviana iray mipetraka ao […]

Anosizato: jiolahy niafina tao anaty armoara

Nifanehatra tamin’ny polisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) teny Anosizato Atsi­nanana, afakomaly ny jiolahy iray tratra namaky trano. Nan­dritra ny fotoana nanaovan’ny polisin’ny SAG fisafoana teny akaikin’ny farmasia iray eny Anosibe no nahatrarana ity jiolahy ity. Nisy renim-pianakaviana iray tonga nampandre ny polisy momba ny fisiana asa […]