Nankatoavin’ny Antenimiera: Ho amin’ny teny malagasy ny taratasim-panjakana

Nolanian’ireo solombavambahoaka, omaly, teny Tsimbazaza, ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy. Misongadina amin’izany fa ho amin’ny teny malagasy avokoa ny taratasim-panjakana rehetra.

Nambaran’ny depiote, Rakotoaritiana Navalona Francky, nitondra izany tolo-dalàna izany, fa anisan’ny tanjona ny fanamafisana ny toeran’ny teny malagasy amin’ny sehatra ofisialy sy ny fiainam-pirenena. Voarakitra ao anatin’izany fa hatao amin’ny teny malagasy avokoa ny taratasim-panjakana. Ny didim-pitsarana, ny taratasy ampiasaina eo amin’ny tontolon’ny asa, ary koa ireo antontan-taratasy ofisialy hafa. «Tsy maintsy asina dika amin’ny teny malagasy izany ireo taratasy amin’ny teny vahiny rehetra ireo», hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ireny fifanarahana arakasa ireny na koa ny takelaka sy torolalana eny amin’ny bi­raom-panjakana na koa ny seranana rehetra… «Hana­mo­ra ny fahazoan’ny olom-pirenena ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy hanome lanja bebe kokoa ny teny malagasy izany», hoy ihany izy. Nanteriny anefa fa mbola betsaka ny asa miandry. Ani­san’izany ny hananganana ny «Tranoben’ny teny malagasy», ivondronan’ireo manam-pahaizana sy ny mpikaroka samihafa  ahafahana mikaroka voambolana amin’ny sehatra rehetra», hoy ihany ny depiote, Rakotoaritiana Navalona Francky.

Tsy fanilihana

Notsiahiviny fa maherin’ny 80% ireo tsy mahay teny frantsay ka sahirana amin’ny didim-pitsarana ny amin’ny fandikana izany ho amin’ny teny malagasy. Natao hisorohana ny tsy fahalalana koa ny fampiasana ny teny malagasy, manoloana ny fifanarahana arakasa. Tokony hojerena ny hampiakarana ny salanisa amin’ny taranja malagasy eny amin’ny fampianarana…
Notsindriny fa tsy midika ho fanilihana ny teny vahiny akory izany. Mbola hojeren’ireo Andrimpanjakana samihafa koa ny fomba hampiharana izany, araka ny nambarany. «Fotoana izao hanomezana hasina sy lanja ny tenintsika. Tsy tokony hahamenatra izany fa vao mainka hampiakarana ny hambom-po», hoy ireo depiote, tamin’ny fandaniana izao lalàna izao. Tsy famerenana ny fanagasiana no tanjona fa fanomezan-danja ny teny malagasy ho teny ampiasana amin’ny asam-panjakana, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: