Tontosaina anio eny amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaham-pitsarana, fitoriana an-dRahajason Harry Laurent, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rolly Mercia. Raharaham-pitsarana faharoa hiampangana azy ity iakarany fitsarana anio ity. “Fijoroana vavolombelona tsy marina” no vesatra hanenjehana azy. Tsiahivina, raharaha voalohany niampangana azy ny fijoroana vavolombelona tsy marina, fanamelohana […]
Other News
Raharaham-pirenena : miantso ny kristianina hanao politika ny VLKM
“Matahotra ny atao hoe politika ny kristianina. Satria zavatra ratsy ny fiheveran’ny kristianina ny politika hatramin’izay. Kanefa zavatra tsara ny politika, raha ny fiheveran’i Jesoa”, hoy ny mpanorina ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Rakotonirina Lucien, ny amin’ ny tokony hirotsahan’ny kristianina amin’ny sehatra politika. Fitantanana sy fandrindrana ny fiarahamonina […]
Fidinana ifotony: miezaka manakaiky vahoaka ny Tim
Mazava ny toromarika. Ankoatra ny fanentanana ny olom-pirenena hanatona fokontany amin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, midina ifotony koa ireo mpikambana Tim. Anisan’izany ny eo anivon’ny boriborintany III, Antananarivo Renivohitra. Nanadio ny lakandrano etsy Ankorondrano Atsinanana izy ireo, omaly ary mbola hitohy izany. Nanampy sy nanohana izany ny depiote voafidy […]
Fiatrehana fifidianana: mbola mifampiandry ireo ho kandidà filohan’ny Repoblika
Hatramin’izao, iray no nanambara ampahibemaso fa ho kandidà filohan’ny Repoblika. Mifampiandry ireo mpanao politika? Na miandry ny fotoana farany… Mba mivoaka ahay ny tetiandrom-pifidianana. Paipaika sy kajikajy politika avokoa izany. Eo, ohatra, ny manantena ny mety hisian’ny fikaonandoham-pirenena. Mety hanova zavatra betsaka izay? Tsy mitsahatra miketriketrika ny hisian’izany ny sasany. […]
Toliara II : lehilahy iray hita faty tapa-doha
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly maraina, lehilahy iray no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Ankatsakatsa atsimo, distrika Morombe. Hita faty tapa-doha tsy lavitry ny lisea ao an-toerana izy, nisitrika tao anaty kirihitra ny vata-mangatsiakany. Tsy nisy nahita ny nahafaty azy fa ireo mpianatra hamonjy […]







