Natolotra ny fitsarana omaly ireo telo vavy voarohirohy tamin’ny famonoana vehivavy iray, izay voalaza fa bevohoka, tany Sahanivotry Antsirabe II. Voarohirohy niaraka tamin’ireo telolahy maty nodoran’ny fokonolona velona ny alarobia lasa teo izy ireo. Olona roa hafa nosamborina sy natao andrimaso eny anivon’ny zandary. Vehivavy iray tokony ho 40 taona, […]
Other News
Ambohimanambola : Lehilahy iray nanao sary maty
Lehilahy iray hitan’ny olona nisarona lamba teny amoron’ny lalamby teny amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, omaly tamin’ny 08 ora maraina. Heverin’ny olona fa faty izy io ka nampandrenesina ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra eny an-toerana. Tsy niandry ela, tonga teny ifotony nijery ny zava-nitranga avy hatrany izy ireo, […]
Kaominina Analavory : Fasana enina nasesin’ny jiolahy
Lasan’ny olon-dratsy ny ankamaroan’ny taolam-paty tao anatin’ny fasana miisa enina, ao Ambohimasina, fokontany Antanetibe, kaominina Analavory, ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy 9 febroary. Nokorontanin’ireo tsy valahara avokoa ny razana tao anatin’ireo fasana ireo. Fasam-bato ny dimy raha toa ka dongon-tany ny iray, araka ny loharanom-baovao. Mpandalo vao maraina hanatitra […]
Lehilahy maty teny Ankadikely : Nolerana zava-maranitra ny fony sy ny ilam-peny
Nolerana zava-maranitra teo amin’ny fony sy ny ilam-peny ny lehilahy iray teny Ankadikely Ilafy, tamin’ny alahady alina. Nanomboka omaly ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy intelo nahazo azy. Nitrangan’ izany ny teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahenoin’ny mponina manodidina tabataba tao […]
Rakikira vaovao : Nafana ny famoahana ny « Za » Nate Tex
Na, ho an’i Nate Tex, na ho an’ny mpijery sy mpankafy ny sanganasany. Andro lehibe ho azy ireo ny andro omaly, nivoahan’ny rakikira « Za » Nate Tex. Tao anatin’ny hafanana tanteraka ny seho. «Tena zava-dehibe loatra amiko ity. Mitantara fiainana be ilay rakikira…», hoy i Nate Tex nandritra ny fampahafantarana ny […]






