TSELATRA

Natolotra ny fitsarana omaly ireo telo vavy voarohirohy tamin’ny famonoana vehivavy iray, izay voalaza fa bevohoka, tany Sahanivotry Antsirabe II. Voarohirohy niaraka tamin’ireo telolahy maty nodoran’ny fokonolona velona ny alarobia lasa teo izy ireo. Olona roa hafa nosamborina sy natao andrimaso eny anivon’ny zandary.
Vehivavy iray tokony ho 40 taona, maty nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy Tsarasoatra, afakomaly atoandro. Nitsoaka ilay fiara nahavanon-doza taorian’izay. Nandeha an-tongotra, nikasa hiampita arabe ity renim-pianakaviana ity no niharan-doza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny avy amin’ny BAC. Efa mitohy ny fikarohana ny fiara nahavanon-doza.
Tovolahy iray 24 taona, namoy ny ainy sempotra tao amin’ny dobo filomanosana, tao amina toeram-pilanonana iray tetsy Ampitatafika, afakomaly. Nilomano izy ary sendra ny lalina ka nilentika ary sempotra tao. Efa nobataina tao anaty rano izy io no hitan’ny fianakaviana. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly izy taorian’izay, saingy tsy tana ny ainy.
Ramatoa iray 85 taona, hitan’ny fokonolona tsy nahatsiaro tena tany Antsahalava, Ambohitrandriana, kaominina Ambohimalaza, afakomaly, tamin’ny 01 ora sy 40 minitra. Nampandre ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary, ny sefo fokontany. Nentina teny amin’ny CSBII Ambohimalaza ny marary ary efa nahazo fitsaboana sahaza. Nivoaka vao maraim-be izy io ary tsy niverina. Noho ny harerahana sy tsy fahampian-tsakafo no nampalemy azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo.

Partager sur: