Other News

Famaranana ny faha-30 taona: hanatanteraka seho lehibe ny Tanora Masina Itaosy

Iray amin’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika eto Madagasikara ny Tanora Masina Itaosy. Lalan-davitra rahateo no efa vita. 30 taona nomarihina tamin’ny alalan’ny hetsika maro. Hofaranana, rahampitso, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ireo hetsika rehetra nentina nanamarika ny faha-30 tao­nan’ny […]

Kitra vehivavy – Mada 2022 : anjakan’i Vakinankaratra ny fifaninanana

Notanterahina omaly tany Antsirabe, ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra vehivavy taona 2022. Manjaka tanteraka ny ekipan’i Vakinankaratra. La­von’ny Disciple FF Antsirabe tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Mifa Analamanga, resin’ny AC Sabnam Vakinankaratra tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Ascuf Fianarantsoa. […]

Judo-Grand Slam de Paris: telo mianadahy ny solontena malagasy

Hanomboka anio any Paris, Frantsa, ny fifaninanana « Grand Slam », taranja Judo. Manana solontena telo ny Malagasy. Randrianasolo Lova Mahaisoa (-73kg), mi­ampy mpila ravinahitra miisa 2, Rakotoarivony Royal (-100 kg) sy i Vital Christiane (-57kg), no hiaro ny voninahi-pirenena. Ny alarobia lasa teo no efa nanainga teto an-tanindrazana i Lova raha […]

Kitra – «Chan 2022»: norombahin’ny Barea ny medaly alimo

Nihofahofa tao Algérie ary nanakoako manerana an’i Afrika ny Barea de Madagascar, omaly alina. Lasan’ny Malagasy ny laharana fahatelo ary norombahiny ny medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2022”. Nentin’ny Barea de Ma­da­gascar nody an-ta­nindrazana ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo […]