Other News

“Festival Surajkund” any Inde: haneho ny kanto Malagasy ny Maf’B

Tonga ny fotoana hanehoana ny ketrika! Volana vitsivitsy lasa izay no ni­tsiry ny hevitra izay lasa teti­kasa, hananganana tarika iray hivoy sy hitrandraka ny hira sy dihy vakodra­zana ma­nerana ny Nosy, ka afaka hisolo tena an’i Mada­gasi­kara rehefa misy ny hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena. Taorian’ny fitiliana ireo mpanakanto, natsan­gana ny Malagasy […]

Fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena: « Tsy nitsanga-menatra fa nanome ny farafahaizany ny ekipa »

Laharana fahefatra ny ekipa malagasy nandritra ny « Interna­tio­nal Catering Cup », izay notontosaina tany Frantsa. « Marina fa nanantena ny hiakatra podium, saingy sahiko ny miteny fa tsy nitsanga-menatra isika satria tena nanome ny farafahaizany ny ekipa. Midera azy roa vavy aho, fa tsy moramora ny nifanandrina ta­min’ireo mpifaninana izay tena efa […]

Sehatry ny literatiora: hifamotoana etsy Tsimbazaza ireo poeta

Hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo poeta sy mpankafy poezia ary mpanaraka antsa tonon­kalo, ny alahady 5 febroary ho avy izao. “Hetsika ian­tsoana ireo mpisehatra izany anaty tambajotran-tserasera sy anaty onjam-peo koa izany”, hoy ny tom­pon’andraikitra, mpikarakara ny hetsika. Hanom­boka amin’ny 9 ora maraina ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro […]

Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana: tsy mahay miteny sy manoratra teny malagasy ny Malagasy

Tsy honohono fa tranga iaraha-mahita eny anivon’ny fiarahamonina. Malagasy tsy mahay miteny na manonona ny teniny. Malagasy tsy mahay manoratra ny teny malagasy. Taiza ny lesoka ? Tsy alefa lavitra akory ny fanadihadiana dia efa hita miharihary ny lesoka. Ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana. Fanarenana goavana no miandry azy ireo. Tsy […]