“Hatramin’izao, tsy misy ny mety hoe ahiahy na tahotra ny tsy hisian’ny fifidianana. Ny tsara marihina: eo ihany ny vola, tsy hoe maivana. Ny fahaizantsika Malagasy mametraka ny rafitra isan-tsehatra miantoka ny fampahombiazan’ny fifidianana sy ny fandaminana takin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany no zava-dehibe.” Izay no valintenin’ny mpampakateny eo anivon’ny […]
Other News
V3F sy ny AJR : hanohana ny filoha Rajoelina
Manao tohivakana. Nanambara ny fijoroany tetsy Ankorondrano ny asabotsy teo ny fikambanana sy antoko politika mitovy fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mitambatra eo anivon’ny Vovonan’ny vondron’ ny mpitolona ho an’ny fampandrosoana (V3F) sy ny AJR Mada izy ireo. “Ilaina ny mampivondrona ny hery, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao ka antony […]
Hentitra ny hafatry ny FFKM : “Aoka hahay hihaino toriteny fa tsy ho mora tezitra…”
Nahitsy sy hentitra tanteraka ny hafatra. Notanterahina tetsy amin’ny fiangonana Anglikanina, Ambohimanoro, omaly, ny herinandro fiaraha-mivavaka, notarihin’ny FFKM. Nitodika manokana amin’ny mpitondra sy ireo mpanara-dia azy ny ankamaroan’ny hafatra tamin’izany. “Aoka samy ho dodona hihaino fa tsy maika hiteny na halaky tezitra… Mitaona antsika hifikitra hatrany amin’ny Tompo”, hoy izy […]
Fampanofana basy: mpiasan’ny seranan-tsambo sy namany telo naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana nahafatesan’olona tao Tanamakoa, ny zoma 20 janoary lasa teo. Nanafika mpandraharaha iray ireto jiolahy ny 13 janoary teo. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’izy ireo ny olona iray raha toa mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly kosa ilay […]
Analakely : mpanendaka voafandriky ny «caméra de surveillance»
Nihevitra ho afa-maina ireo jiolahy roa lahy nanendaka olona teo akaikin’ny banky iray eny Analakely, ny asabotsy teo. Lasa nandositra nihazo ny pavillon izy roa lahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa nilamin-tsaina taorian’izay raha nandalo tamin’iny faritra Ambodifilao iny, kanjo nosamborin’ny polisy tampoka. Ireo caméra de surveillance mipetraka […]






