Tsy tana ny ain’ny mpamily fiarakodia fanta-daza amin’ny taranja mekanika sy ny fakana sary, omaly. Niharan-doza teny amin’ny lalan’Imerinkasinina izy sy ny vadiny, ny alahady 28 jona teo.
Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tamin’iny lalan’Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominin’ Ambohimalaza ny mpamily fiarakodia iray. Mpankafy taranja mekanika, anisan’ny fanta-daza amin’io sehatra io, ity lehilahy tra-doza tampoka ny harivan’ny alahady 28 jona lasa teo ity. Nanatrika fifaninanana familiana fiara, andiany fahefatra, teny Imerinkasinina izy sy ny vadiny. Nitondra ny fiara marika Subaru, izay tena anisan’ny nahalalan’ny besinimaro azy, io lehilahy io. Nifarana ny fifaninanana ka samy nitodi-doha hamonjy fodiana avokoa ireo mpandray anjara sy ny mpanatrika. Niharan-doza tampoka anefa izy mivady izay tao anatin’ny fiara nentiny. Nisy fiara nijanona tamin’ny sisin-dalana ankavia ka niala izany ny fiara nentiny.
Nialana nenina
Nidona mafy tamin’ny rindrin-tany tamin’ny ankavian-dalana ny fiara nentiny ka nivadika intelo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso ny niharam-boina tao anatin’ny fiara. Nentina nihazo ny hopitaly avy hatrany ilay mpamily izay tena voa mafy, ny harivan’io alahady io. Tsy tana intsony anefa ny ainy, omaly maraina. Nidina ifotony nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Tsy hita teny an-toerana intsony, tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto farany, ilay fiara voalaza ho nijanona tamin’ny sisin-dalana. Voalaza fa nisy fandehanana mafy ka antony nitarika ny loza.
Tsiferana R.




