Mazava ny zotra ho an’ny SADC, mila miverina amin’ny Lalàmpanorenana i Madagasikara. Mila mihavana ihany koa. Mahitsy ny valin-kafatra avy amin’ny mpitondra: manaja ny toromarika, saingy tsy misy gadra na sesitany politika izany.
“Miantso amin’ny fampihavanana, famerenana ireo nanao sesitany ara-politika, ary famoahana ny gadra politika”, izay no vontoatin’ny fanambarana farany navoakan’ny SADC, afakomaly alina. Nitondra ny teny tamin’izany ny filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, raha namarana ny fihaonana manokan’ny Sadc nampitain-davitra, tany Botswana, mahakasika an’i Madagasikara.
Nifantohana ny famerenana ny fitoniana politika sy ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Nohamafisiny ny fanohanana hatrany ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fitondrana manaja ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia. Vonjimaika ihany ny dingana fanavaozana na fanorenana rafitra vaovao. Tsy maintsy misy fandaharam-potoana mazava hamerina ny filaminana ara-dalàna sy ny lalàmpanorenana. Eo koa ny fifidianana malalaka sy mangarahara, maneho ny safidin’ny vahoaka malagasy.
Ilaina ny misokatra
Tohanan’ny Sadc ny fifampidinihana misokatra sy mangarahara ary tarihin’ny Malagasy hamahana ny olana politika sy ho fiarovana. Nantsoiny handray anjara amim-pahatsorana ny governemanta, ny antoko politika, ny fiarahamonina sivily, ny tanora, ny vehivavy, ary ireo mpitondra nentim-paharazana, hanome lanja ny tombontsoam-pirenena. Nangatahany ny governemanta hiantoka fa tena misolo tena ny rehetra sy tsy mitanila ary mangarahara ny fifampidinihana nasionaly.
Nekena ny fananganana biraon’ny Sadc ao Antananarivo, hanamafy ny fanaraha-maso sy ny fanohanana eo an-toerana, ahitana tatitra isaky ny telo volana. Naveriny ny antso hamotsorana ireo gadra politika, hampitsaharana ny fisamborana tsy ara-dalàna, ny hamelana ny fiverenan’ireo sesitany ara-politika. Ireo no heverina ho fototry ny fifampitokisana sy ny fampihavanam-pirenena. Andraikitry ny Sadc ny miaro ny demokrasia sy ny lalàmpanorenana, misoroka ny krizy vaovao, ary manampy an’i Madagasikara hahatratra fitoniana maharitra sy hoavy demokratika.




