Other News

Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy maintsy jerena ny didy fa mety hamotika olona…”

Nanaovana atrikasa manokana . Notanterahina tetsy Antaninarenina, omaly, ny fiofanana sy fifampizarana eo amin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana fandravana didy. Nanafatrafatra ny momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Raby -Savatsarah Ain’Harimanga Gabrielle fa anisan’ny andry farany iankinan’ny manan-draharaha ary andrandrainy mba hampanjaka ny fahamarinana […]

Samia tsy ho tiatia kely !

Miaina anaty voina tanteraka ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy iny, nanomboka omaly. Tsy mbola afa-bela amin’ny rambon’ny rivodoza Cheneso. Mitohy ny ora-mikija, miakatra izaitsizy ny renirano marobe any an-toerana. « Dobo » araka ny fitenin’ny mponina any an-toerana ny tanàna, izany hoe, tratran’ny tondra-drano. Betsaka ny fianakaviana mihitsoka an-trano, maro […]

Saika hanafika: jiolahy efatra maty voatifitry ny USI tetsy Androndra

Nirefodrefotra ny basy! Maty noho ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy efatra tetsy Androndra, afakomaly alina. Saron’ny polisy (USI) teo am-piketrehana hanafika tokantrano iray etsy Androndra ny jiolahy efatra nitam-basy, ny alin’ny alarobia teo. Tamin’ny misasakalina, nanao fisafoana teny amin’ io fokontany io ny polisy. Hatairana ny an’ireo olon-dratsy […]