Mpivarotra rongony telo lahy indray no voasambotry ny zandary tao Ampahimanga, Ambohimanambola afakomaly. Tsy vitan’ny manaparitaka io zava-mahadomelina io fa midoroka koa izy telo ireto. Ny 30 desambra lasa teo, lehilahy iray hafa koa tra-tehaka niaraka tamina fonosana rongony miisa 61 tao amin’io fokontany io ihany. Lasan’ny jiolahy ny kitapo […]
Other News
Nosy varika: mpivaro-jaza tafaporitsaka
Voasambotry ny fokonolona ny mpivaro-jaza iray tao ambanivohitra Vohilava, distrika Nosy Varika, afakomaly. Fantatry ny manodidina fa nikasa hivarotra zaza io lehilahy io ka nanaovan’izy ireo vela-pandrika. Tra-tehaka araka izany ity farany. Notanan’ ireo solotenan’ny mponina ao an-toerana izy. Nangataka ny hivalan-drano anefa io olon-dratsy io kinanjo, tsy hita popoka […]
Noentina tany amin’ny mangingina : lehilahy maty norasarasain’ny roa lahy antsy
Novonoina noho ny antony tsy fantatra, notriatriarin’ ny roa lahy antsy ny lehilahy iray tao Mandritsara. Nosamborin’ny fokonolona tany an-tranony ireo nahavanon-doza. Niaraka hividy zavatra tao amin’ny renivohitry ny kaominina misy azy ireo! Maty novonoina tamin’ny antsy ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampatakamaroreny, distrikan’i Mandritsara, ny talata 17 […]
Tetezana ao Vohiposa: misy mangalatra ny vy
Ahiana hitera-doza raha mitohitohy, vy be mirefy efatra metatra mihazona ny tetezana ao amin’ny 2 km tsy hiditra ao Vohiposa no lasan’ny mpangalatra, ny 18 janoary teo. Sendra nanao fisafoana, tsikaritry ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa tapitra noesorin’ny olon-tsy fantatra avokoa ireo vy ireo. Atao hoe “Kadiomby”, miisa […]
Vokatry ny ora-nikija : vehivavy iray maty an-drano
Namono olona indray ny orambe tao Sahave, kaominina ambanivohitra Vohiposa, distrikan’ Ambohimahasoa, ny alatsinainy 16 janoary teo. Noentin’ny rano, tsy hita nanomboka ny alakamisy 12 janoary ny ramatoa iray tsy salama saina. Avy tamin’ny tanàna atao hoe Ingotra Avaratra, fokontany Anaradakana saika hamonjy ny havany ity renim-pianakaviana ity. Tao anatin’ny […]






